-
Mpitsara 2:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Rehefa nanendry mpitsara ho azy ireo i Jehovah,+ dia nomba an’izany mpitsara izany i Jehovah ka namonjy azy ireo teo an-tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’ilay mpitsara. Nanenina mantsy i Jehovah,+ satria nitaraina izy ireo noho ny nataon’ireo nampahory azy+ sy ireo nanositosika azy tetsy sy teroa.
-
-
2 Samoela 24:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary naninjitra foana ny tanany tandrifin’i Jerosalema ilay anjely+ mba handringana an’ilay tanàna. Koa nanenina+ ny amin’ilay loza i Jehovah, ka hoy izy tamin’ilay anjely nandringana ny olona: “Aoka izay! Ampidino amin’izay ny tananao.” Ary teo akaikin’ny famoloan’i Araona+ Jebosita+ ilay anjelin’i Jehovah.
-
-
Salamo 69:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+
Mba tsinjovy aho fa be famindram-po ianao,+
-