Joba
2 Toy ny voninkazo izy, eny, toy ny voninkazo izay mamelana nefa tapahina avy eo.+
Ary mandositra toy ny aloka+ izy, ka tsy misy intsony.
3 Eny, nanokatra ny masonao hijery azy ianao,
Ary entinao hifandahatra aminao any amin’ny fitsarana+ aho.
5 Raha voafetra ny androm-piainany,+
Dia eo am-pelatananao ny isan’ny volana iainany.
Efa namoaka didy momba azy ianao hoe tsy azony ihoarana izany.
6 Avilio tsy hibanjina azy intsony ny masonao, mba hakany aina+
Mandra-pahitany fifaliana, toy ny fifalian’ny mpikarama rehefa mifarana ny andro iray.
7 Fa mbola misy fanantenana na ho an’ny hazo aza.
Raha tapaka mantsy izy, dia mbola hitsimoka indray,+
Ary tsy ho faty ny rantsany.
8 Raha antitra ao anaty tany ny fakany,
Ary maty ao amin’ny vovoka ny fotony,
9 Dia hitsimoka izy raha vao mandre fofon-drano fotsiny,+
Ary hamoaka rantsana toy ny zavamaniry vao mitsiry.+
10 Maty kosa anefa ny lehilahy tomady, ary resy.
Eny, miala aina ny olombelona, dia aiza intsony izy?+
12 Ny olombelona koa dia matory ary tsy mifoha.+
Eny, tsy hifoha izy mandra-pahafoanan’ny lanitra,+
Ary tsy ho taitra amin’ny torimasony.+
13 Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana* mantsy ianao,+
Eny, manafina ahy mandra-pitonin’ny fahatezeranao,
14 Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?+
Hiandry aho mandritra ny andro rehetra anerena ahy hiandry,+
Mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy.+
16 Fa amin’izao aloha, dia tsy mitsahatra manisa ny diako ianao,+
Ary tsy mandinika afa-tsy ny fahotako.+
18 Na ny tendrombohitra aza anefa dia mianjera ka montsamontsana,
Ary na ny vatolampy aza dia hesorina amin’ny toerany.
19 Kikisan’ny rano ny vato,
Ary entin’ny riaka ny vovo-tany.
Toy izany no andravanao ny fanantenan’ny olombelona mety maty.
22 Harary azy ny nofony raha mbola eo aminy,
Ary halahelo izy raha mbola ao aminy ny ainy.”