Deoteronomia
9 “Mihainoa, ry Israely ô: Efa hiampita an’i Jordana ianao izao+ ary hiditra ao amin’ilay tany, dia halainao io tanin’ny firenena lehibe sy mahery noho ianao io.+ Misy tanàna lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra* ilay izy,+ 2 ary misy vahoaka matanjaka sy lava ranjanana izay taranaky ny Anakita.+ Fantatrao ireo ary efa henonao izay lazain’ny olona momba azy hoe: ‘Iza no mahavita manohitra ny taranak’i Anàka?’ 3 Fantaro àry anio fa hiampita eo alohanao i Jehovah Andriamanitrao.+ Fa afo mandevona izy,+ ka handringana an’ireny. Hataony resy eo imasonao ireny, dia horoahinao sy haringanao* ao anatin’ny fotoana fohy, araka izay efa nampanantenain’i Jehovah anao.+
4 “Rehefa roahin’i Jehovah Andriamanitrao hiala eo anatrehanao ireny, dia aza mieritreritra hoe: ‘Satria manao ny marina aho, dia izany no nahatonga an’i Jehovah hampiditra ahy teto amin’ity tany ity mba haka azy ity.’+ Fa noho ireny firenena ireny ratsy fanahy+ no antony handroahan’i Jehovah azy hiala eo alohanao. 5 Tsy hoe satria manao ny marina ianao na hoe mahitsy fo, dia hiditra ao amin’ny tanin’izy ireo sy haka an’ilay izy ho anao. Fa noho ireo firenena ireo ratsy fanahy no antony handroahan’i Jehovah Andriamanitrao azy eo alohanao.+ Tian’i Jehovah hotanterahina koa ilay fianianany tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba+ razambenao. 6 Fantaro àry fa tsy hoe satria manao ny marina ianao dia homen’i Jehovah Andriamanitrao anao io tany tsara io. Vahoaka mafy loha* mantsy ianareo.+
7 “Tsarovy, ary aza hadinoina mihitsy ny zavatra nataonareo ka nampahatezitra an’i Jehovah Andriamanitrareo tany an-tany efitra.+ Nikomy tamin’i Jehovah foana ianareo,+ nanomboka tamin’ny andro nialanareo tany Ejipta ka mandra-pahatonganareo teto amin’ity toerana ity. 8 Nampahatezitra an’i Jehovah ianareo na tany Horeba aza. Dia tezitra be taminareo i Jehovah ka efa saika handringana anareo.+ 9 Rehefa niakatra an’ilay tendrombohitra aho mba handray ny takela-bato+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah taminareo,+ dia nijanona 40 andro sy 40 alina teny,+ sady tsy nihinan-kanina no tsy nisotro rano. 10 Dia avy eo nomen’i Jehovah ahy ny takela-bato roa nosoratan’ny rantsantanany. Voasoratra tao daholo ny teny rehetra nolazain’i Jehovah taminareo avy tao anaty afo teo amin’ilay tendrombohitra, tamin’ilay andro nivorian’ny vahoaka.*+ 11 Dia nomen’i Jehovah ahy ny takela-bato roa, dia ny takela-baton’ny fifanekena, rehefa tapitra ny 40 andro sy 40 alina. 12 Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Mialà eto dia midìna haingana, fa manao ratsy ilay vahoakanao nentinao niala tany Ejipta.+ Izay sahady ry zareo dia efa niala tamin’ilay lalana nasaiko narahiny, ka nanao sarivongana metaly.’*+ 13 Hoy koa i Jehovah tamiko: ‘Efa hitako mihitsy fa mafy loha* ity vahoaka ity!+ 14 Aleo haringako ireo dia hofoanako eny ambanin’ny lanitra ny anarany, fa ianao kosa hataoko firenena matanjaka sy be mponina kokoa noho ireo.’+
15 “Dia nihodina aho, ka nidina avy teo amin’ilay tendrombohitra mbola nirehitra.+ Teny amin’ny tanako roa ny takela-bato roa misy ny fifanekena.+ 16 Nijery aho dia nahita anareo nanota tamin’i Jehovah Andriamanitrareo! Efa nanao zanak’omby tamin’ny metaly* ianareo. Tamin’io sahady ianareo dia efa niala tamin’ilay lalana nasain’i Jehovah narahinareo.+ 17 Nalaiko àry ny takela-bato roa dia natontako avy teny an-tanako, ka novakivakiko teo imasonareo.+ 18 Niankohoka teo anatrehan’i Jehovah 40 andro sy 40 alina aho avy eo, hoatran’ilay tamin’ny voalohany ihany. Tsy nihinan-kanina aho tamin’izay na nisotro rano,+ noho ny fahotana rehetra nataonareo. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah mantsy ianareo, ka nampahatezitra azy. 19 Fa natahotra be aho satria tena tezitra be taminareo i Jehovah,+ ka efa saika handringana anareo. Mbola nihaino ahy ihany anefa i Jehovah tamin’izay.+
20 “Tena tezitra be tamin’i Arona koa i Jehovah, ka efa saika handringana azy.+ Fa nitalaho ho an’i Arona koa aho tamin’izay. 21 Dia nalaiko ilay zanak’omby, dia ilay fahotana nataonareo,+ ka nodorako tao anaty afo. Dia nopotipotehiko sy notorotoroiko tanteraka ilay izy ka lasa vovoka madinika tamin’ny farany. Natsipiko tao amin’ilay renirano nikoriana avy tany amin’ilay tendrombohitra ny vovony avy eo.+
22 “Mbola nampahatezitra an’i Jehovah koa ianareo tany Tabera+ sy Masa+ ary Kibrota-hatava.+ 23 Nisy fotoana koa ianareo nasain’i Jehovah niala tao Kadesi-barnea,+ dia noteneniny hoe: ‘Miakara ka alaivo ho anareo ilay tany homeko anareo!’ Mbola tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah Andriamanitrareo indray anefa ianareo,+ ary tsy nino+ na nankatò azy. 24 Nikomy tamin’i Jehovah foana ianareo hatramin’izay nahalalako anareo izay.
25 “Niankohoka teo anatrehan’i Jehovah foana àry aho, nandritra ny 40 andro sy 40 alina.+ Niankohoka aho satria nilaza i Jehovah hoe efa handringana anareo. 26 Dia nitalaho tamin’i Jehovah aho hoe: ‘Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Mba aza aringana re ny vahoakanao e! Fanananao manokana*+ ange izy ireo e! Navotanao tamin’ny herinao lehibe mantsy izy ireo, dia nentinao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny herin-tsandrinao.+ 27 Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Jakoba mpanomponao.+ Marina fa mafy loha ity vahoaka ity sady ratsy fanahy sy mpanota, nefa aza izany no jerena.+ 28 Sao mantsy hiteny ny mponina ao amin’ilay tany namoahanao anay hoe: “Tsy vitan’i Jehovah ny nitondra an-dry zareo ho any amin’ilay tany nampanantenainy azy. Tena tsy tiany ry zareo matoa nalainy teto mba hovonoiny any an-tany efitra.”+ 29 Mbola vahoakanao mantsy izy ireo sady fanananao manokana,*+ izay nentinao tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao mahery.’+