Deoteronomia
27 Dia nandidy ny olona i Mosesy sy ny anti-panahin’ny Israely hoe: “Ankatoavy ny didy rehetra andidiako anareo anio. 2 Rehefa hiampita an’i Jordana ianao mba ho any amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, amin’io andro io, ka lalory* ireny.+ 3 Soraty eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra ato amin’ity Lalàna ity rehefa tonga eny ampita ianao. Amin’izay dia hiditra ao amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely homen’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah Andriamanitry ny razambenao anao.+ 4 Rehefa tonga eny ampitan’i Jordana ianareo, dia atsangano eo amin’ny Tendrombohitra Ebala+ ireo vato ireo, dia lalory,* araka ny didy omeko anareo androany. 5 Rehefa eo ianareo, dia manaova koa alitara vato ho an’i Jehovah Andriamanitrao, nefa aza mampiasa fitaovana vy rehefa manamboatra an’ilay izy.+ 6 Vato mbola tsy voapaika no hanaovanao an’ilay alitaran’i Jehovah Andriamanitrao, ary manolora fanatitra dorana eo amboniny, ho an’i Jehovah Andriamanitrao. 7 Dia manolora sorona iombonana,+ ka hano eo izany.+ Ary hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao.+ 8 Dia soraty mazava tsara eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra ato amin’ity Lalàna ity.”+
9 Avy eo dia hoy i Mosesy sy ny Levita mpisorona tamin’ny Israely rehetra: “Mangìna, ry Israely ô, dia henoy izao! Lasa vahoakan’i Jehovah Andriamanitrao ianao androany.+ 10 Henoy ny feon’i Jehovah Andriamanitrao, ary ankatoavy ny didiny+ sy ny fitsipiny omeko anao anio.”
11 Nandidy ny olona koa i Mosesy tamin’izay andro izay hoe: 12 “Rehefa tonga eny ampitan’i Jordana ianareo, dia ireto avy ny foko hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Gerizima+ mba hilaza an’izay fitahiana ho azon’ny vahoaka: Simeona, Levy, Joda, Isakara, Josefa, ary Benjamina. 13 Ireto kosa no hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ebala+ mba hilaza ozona: Robena, Gada, Asera, Zebolona, Dana, ary Naftaly. 14 Dia hamaly ny Levita sady hiteny mafy amin’ny Israelita rehetra hoe:+
15 “‘Voaozona izay manao sary sokitra,+ na sarivongana metaly,*+ dia zavatra maharikoriko an’i Jehovah+ sady asa tanan’ny mpanao asa tanana.* Voaozona izay manao an’izany sady manafina an’ilay izy.’ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’*
16 “‘Voaozona izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
17 “‘Voaozona izay manakisaka ny marika mamaritra ny tanin’ny namany.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
18 “‘Voaozona izay mahatonga ny jamba ho diso lalana.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
19 “‘Voaozona izay mamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny+ rehefa mitsara ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
20 “‘Voaozona izay manao firaisana amin’ny vadin’ny rainy, satria manala baraka* ny rainy izy.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
21 “‘Voaozona izay manao firaisana amin’ny biby.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
22 “‘Voaozona izay manao firaisana amin’ny anabaviny, na amin’ny zanakavavin’ny rainy, na amin’ny zanakavavin’ny reniny.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
23 “‘Voaozona izay manao firaisana amin’ny rafozambaviny.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
24 “‘Voaozona izay miafina mba hamono olona ka mahafaty azy.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
25 “‘Voaozona izay mandray kolikoly mba hamonoana* olona tsy manan-tsiny.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’
26 “‘Voaozona izay tsy manaraka an’izay voalazan’ity Lalàna ity, izany hoe tsy mankatò ny Lalàna.’+ Dia hamaly ny olona rehetra hoe: ‘Amena!’