Joba
38 Dia namaly an’i Joba avy tao anaty tafio-drivotra+ i Jehovah, ka niteny hoe:
3 Miomàna, azafady, ary misehoa ho lehilahy;
Hanontany anao aho, ka valio:
4 Taiza àry ianao tamin’izaho nanorina ny tany?+
Lazao ahy, raha mihevi-tena ho mahay ianao.
5 Iza no nametraka ny refiny, raha fantatrao?
Ary iza no nanenjana ny tady nandrefesana azy?
6 Tao amin’ny inona no nandatsahana ny fototry ny tany?
Ary iza no nametraka ny vato fehizorony,+
8 Iza no nanisy varavarana misakana ny ranomasina,+
Rehefa nibosesika nivoaka toy ny avy tao an-kibo izy,
9 Rehefa nampitafiako rahona izy,
Ary haizim-pito no namonosako* azy,
10 Rehefa nametraka fetra ho azy aho
Sady nanisy varavarana sy bara hidiny,+
11 Ka nilaza hoe: ‘Hatreto ihany no azonao aleha fa tsy mahazo mihoatra,
Ary eto no hijanona ny onjanao misamboaravoara’?+
12 Efa mba nibaiko ny maraina ve ianao hatrizay niainanao,
Na nanoro ny mangiran-dratsy hoe aiza no tokony hisy azy,+
13 Amin’izay izy hihazona ny faran’ny tany,
Ka hakopany hiala eo ny ratsy fanahy?+
14 Miova endrika toy ny tanimanga asiana tombo-kase ny tany,
Ary misongadina ny zava-drehetra eo aminy, hoatran’ny soratsoratra amin’ny akanjo.
15 Tsy omena hazavana kosa ny ratsy fanahy,
Ary tapaka ny sandriny izay ningainy hamely olona.
16 Efa mba nidina tany amin’ny loharanon’ny ranomasina ve ianao,
Sa efa nandehandeha nikaroka ny any anaty rano lalina?+
18 Takatry ny sainao ve hoe midadasika be ny tany?+
Teneno amiko, raha hainao izany rehetra izany.
19 Aiza ny lalana mankany amin’ny fonenan’ny hazavana?+
Ary aiza ny toerana ipetrahan’ny haizina,
20 Mba hitondranao an’ireny any amin’ny faritra misy azy,
Sy mba hahafantaranao ny lalana mankany an-tranony?
21 Angaha moa izany efa fantatrao, satria hoe efa teraka ianao tamin’izany
Sady hoe efa ela niainana?*
22 Efa niditra tao amin’ny trano fitehirizana lanezy+ ve ianao?
Sa ianao efa nahita ny trano fitehirizana havandra,+
23 Izay tehiriziko ho amin’ny fotoam-pahoriana,
Ho amin’ny andro anafihana sy iadiana?+
24 Aiza ny lalana iparitahan’ny hazavana,*
Ary avy aiza no manomboka mitsoka etỳ ambonin’ny tany ny rivotra avy any atsinanana?+
25 Iza no nanao lakandrano ho an’ny tondra-drano,
Sy lalana ho an’ny rahon’oram-baratra,+
26 Mba hampilatsaka orana any amin’ny tany tsy misy olona,
Dia any an-tany efitra tsy misy mponina,+
27 Sy mba hahavonto rano ny tany ngazana ravarava,
Ka hampitsimoka ny ahitra?+
29 Kibon’iza no nivoahan’ny ranomandry?
Ary iza no niteraka ny lanezy manify avy any an-danitra+
30 Rehefa toy ny hoe saron’ny vato ny rano,
Ary mivaingana ny fanambonin’ny rano lalina?+
32 Vitanao ve ny mamoaka antokon-kintana* amin’ny fotoanany,
Na mitarika ny antokon-kintana Asha* sy ny zanany?
34 Mahavita manandratra ny feonao hatreny amin’ny rahona ve ianao,
Mba hampisy tondra-drano hanafotra anao?+
35 Mahay mandefa tselatra ve ianao?
Ho tonga ve izy ireo ka hiteny aminao hoe: ‘Ireto izahay!’?
36 Iza no nametraka fahendrena tao amin’ny rahona,*+
Na nanome fahiratan-tsaina ny zava-mahagaga eny amin’ny lanitra?*+
37 Iza no hendry ka mahavita manisa ny rahona,
Na mahavita mampitongilana ny sinin-dranon’ny lanitra,+
38 Rehefa mitambatra ny vovoka ka lasa fotaka mikoriana,
Ary mitambatambatra ny baingan-tany?