Genesisy
27 Rehefa antitra i Isaka ka efa tsy nahita intsony ny masony, dia niantso an’i Esao+ lahimatoany hankany aminy izy hoe: “Ry Esao zanako ô!” Dia hoy i Esao: “Ahoana izay?” 2 Dia hoy i Isaka: “Efa antitra aho izao, nefa tsy fantatro hoe rahoviana aho no ho faty. 3 Koa mba alaivo ny fitaovana fitondranao mihaza, dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao. Mandehana mihaza any an-tsaha dia ento atỳ amiko izay azonao.+ 4 Ary anaovy an’ilay sakafo matsiro tena tiako iny aho, dia ento atỳ amiko ilay izy hohaniko. Dia hitso-drano anao aho, alohan’ny hahafatesako.”
5 Nihaino ny resak’i Isaka tamin’i Esao zanany anefa i Rebeka tamin’izay. Ary lasa nankany an-tsaha i Esao mba hitady haza ka hitondra an’izany mody.+ 6 Dia hoy i Rebeka tamin’i Jakoba zanany:+ “Vao henoko teo ny dadanao niteny tamin’i Esao rahalahinao hoe: 7 ‘Itondray haza aho, dia anaovy sakafo matsiro. Dia hohaniko ilay izy ka hitso-drano anao eo anatrehan’i Jehovah aho, alohan’ny hahafatesako.’+ 8 Henoy tsara aho, anaka, dia ataovy izao asaiko ataonao izao:+ 9 Mandehana any amin’ny ondry aman’osy, azafady, dia ento atỳ izay zanak’osy roa tsara indrindra mba hanaovako sakafo matsiro ho an’ny dadanao, araka ilay itiavany azy. 10 Dia ento any amin’ny dadanao izany hohaniny, amin’izay izy hitso-drano anao alohan’ny hahafatesany.”
11 Dia hoy i Jakoba tamin’i Rebeka reniny: “I Esao rahalahiko ange voloina e,+ fa izaho malamalama hoditra. 12 Dia ahoana raha mitsapa ahy i Dada?+ Tena hoatran’ny hoe mananihany azy aho amin’izay, ka ozona no ho azoko, fa tsy tsodrano.” 13 Dia hoy ny reniny: “Aleo hihatra amiko izany ozona izany, anaka. Fa araho fotsiny ny teniko, dia mandehana ka itondray zanak’osy aho.”+ 14 Lasa naka zanak’osy àry izy ka nitondra an’izany tany amin’ny reniny. Dia nanao sakafo matsiro araka ilay itiavan’ny rainy azy ny reniny. 15 Ary nalain’i Rebeka ny akanjon’i Esao lahimatoany, dia ny akanjony tsara indrindra tao an-trano, ka nampanaoviny an’i Jakoba faralahiny.+ 16 Nataony teo amin’ny tanan’i Jakoba sy teo amin’ny faritra tsy misy volo amin’ny vozony koa ny hoditr’ireo zanak’osy ireo.+ 17 Dia nomeny an’i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo namboariny.+
18 Ary nankao amin’ny rainy i Jakoba, ka niteny hoe: “Dada ô!” Dia hoy i Isaka: “Ahoana izay, anaka? Iza moa ianao?” 19 Dia hoy i Jakoba tamin’ny rainy: “Esao lahimatoanao ihany.+ Efa vitako ilay nasainao nataoko. Mba miarena kely, dia mihinàna amin’ny haza nentiko, ka tsofy rano aho.”+ 20 Dia hoy i Isaka tamin’ny zanany: “Fa ahoana no vetivety kely ianao, anaka, dia nahita haza?” Dia hoy i Jakoba: “Satria nataon’i Jehovah Andriamanitrao nanatona ahy ilay izy.” 21 Ary hoy i Isaka taminy: “Mba manatòna kely, anaka, hitsapako anao, mba hahafantarako raha tena i Esao zanako ianao na tsia.”+ 22 Dia nanatona an’i Isaka rainy i Jakoba. Ary nitsapa azy i Isaka, dia niteny hoe: “Ny feonao aloha dia feon’i Jakoba, fa ny tananao indray tanan’i Esao.”+ 23 Ary tsy fantany i Jakoba, satria voloina be hoatran’ny tanan’i Esao rahalahiny ny tanany. Dia nitso-drano azy izy.+
24 Hoy indray izy: “Tena i Esao zanako tokoa ve ianao?” Dia hoy i Jakoba: “Izaho mihitsy ity!” 25 Ary hoy i Isaka: “Mba omeo amin’ilay haza àry aho, anaka, hohaniko, dia hitso-drano anao aho.” Dia narosony teo aminy ilay izy ka nihinana izy. Nitondrany divay koa izy ka nisotro. 26 Ary hoy i Isaka rainy: “Mba manatòna kely, anaka, dia orohy aho.”+ 27 Nanatona àry izy dia nanoroka azy, ka henon’i Isaka ny hanitry ny akanjony.+ Dia nitso-drano azy izy hoe:
“Ny hanitry ny zanako dia toy ny hanitry ny saha notahin’i Jehovah. 28 Enga anie Andriamanitra hanome anao ny andon’ny lanitra,+ sy ny tany lonaka,+ ary varimbazaha sy divay vaovao be dia be!+ 29 Enga anie hanompo anao ireo firenena, ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa! Ary enga anie hanana fahefana amin’ny rahalahinao ianao, ka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao!+ Ho voaozona anie izay manozona anao, fa hotahina kosa izay mitso-drano anao!”+
30 Raha vao avy nitso-drano an’i Jakoba i Isaka rainy, ary vao niala kely teo aminy i Jakoba, dia iny fa tonga avy nihaza i Esao rahalahiny.+ 31 Nanao sakafo matsiro koa izy, dia nitondra an’ilay izy teo amin’ny rainy, sady niteny hoe: “Miarena Dada a! Mihinàna amin’ity haza nentiko ity, mba hahazoako tsodrano aminao.” 32 Dia hoy i Isaka rainy taminy: “Fa iza moa ianao?” Ary hoy izy: “Esao lahimatoanao ihany!”+ 33 Tonga dia nangovitra be mihitsy i Isaka, ka niteny hoe: “Koa iza àry ilay nandeha nihaza dia nitondra an’ilay haza teto amiko teto? Efa nohaniko ilay izy talohan’ny nahatongavanao, dia nitso-drano azy aho. Ary hotahina tokoa izy!”
34 Dia niantsoantso faran’izay mafy sady nalahelo be i Esao rehefa naheno an’izany tenin’ny rainy izany, ka niteny hoe: “Mba omeo tsodrano koa re aho, ry Dada ô!”+ 35 Hoy anefa ny rainy: “Tonga teto ny rahalahinao, dia nofitahiny aho mba hahazoany ny tsodrano tokony ho anao.” 36 Dia hoy i Esao: “Aiza moa no tsy natao hoe Jakoba* ny anaran’iny? Efa fanindroany izao izy no naka ny toerako!+ Ny zoko amin’ny maha lahimatoa ahy efa nalainy,+ dia izao indray koa nalainy ny tsodrano tokony ho ahy!”+ Hoy koa izy: “Tsy mba nitahiry tsodrano ho ahy mihitsy ve ianao?” 37 Hoy anefa i Isaka tamin’i Esao: “Efa notendreko hanana fahefana aminao izy,+ dia efa nomeko azy daholo ny rahalahiny rehetra mba ho mpanompony. Nomeko varimbazaha sy divay vaovao koa izy hivelomany.+ Koa inona intsony no azoko atao ho anao, anaka?”
38 Ary hoy i Esao tamin’ny rainy: “Dia tsodrano iray fotsiny ve no mba anananao, ry Dada? Mba omeo tsodrano koa re aho, ry Dada ô!” Dia nigogogogo nitomany i Esao.+ 39 Hoy àry i Isaka rainy:
“Tsy hipetraka eny akaikin’ny tany lonaka ianao, sady tsy hahazo ny andon’ny lanitra ambony.+ 40 Ny sabatrao no hivelomanao,+ ary hanompo ny rahalahinao ianao.+ Rehefa tsy zakanao intsony anefa izany, dia hotapahinao hiala amin’ny vozonao ny ziogany.”+
41 Taorian’izay, dia nitana lolompo tamin’i Jakoba i Esao noho ilay tsodrano nomen’ny rainy azy.+ Hoy foana izy anakampo: “Efa kely sisa izao dia ho tonga ny andro hisaonana an’i Dada.+ Dia hovonoiko i Jakoba rahalahiko aorian’izay.” 42 Rehefa notantarain’ny olona tamin’i Rebeka ny tenin’i Esao lahimatoany, dia tonga dia nampanantsoiny i Jakoba faralahiny, ka hoy izy taminy: “Izao anaka! Mitetika ny hamaly faty i Esao rahalahinao, dia tiany hovonoina ianao.* 43 Koa araho ny teniko, anaka, ka mandehana mandositra any amin’i Labana anadahiko, any Harana.+ 44 Mijanòna kely aloha any aminy, mandra-pitonin’ny fahatezeran’ny rahalahinao. 45 Rehefa afaka ny hatezeran’ny rahalahinao aminao, ka hadinony ny zavatra nataonao taminy, dia haniraka olona aho haka anao any. Fa ataoko ahoana ny hamoy anareo mirahalahy ao anatin’ny iray andro?”
46 Taorian’izany, dia hoy foana i Rebeka tamin’i Isaka: “Tena mankaleo ahy ny fiainako noho ireto zanakavavin’ny Hetita ireto!+ Raha sanatria i Jakoba ka manambady zanakavavin’ny Hetita hoatr’ireo zazavavy tompon-tany ireo, dia aleoko maty.”+