Josoa
20 Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: 2 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Mifidiana tanàna fialokalofana ho anareo,+ araka ny efa nolazaiko taminareo tamin’ny alalan’i Mosesy, 3 mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy na nahafaty olona noho ny zavatra tsy nampoizina.* Ho fialokalofana ho anareo ireny tanàna ireny, mba tsy ho tratran’ny mpamaly ra ianareo.+ 4 Dia handositra any amin’ny iray amin’ireny tanàna ireny ilay nahafaty olona.+ Hitsangana eo amin’ny vavahady fidirana amin’ilay tanàna izy,+ ary hohazavainy amin’ny anti-panahy ao izay nataony. Ary horaisin’izy ireo ao an-tanàna izy ka homeny toerana ao, dia hiara-mipetraka amin’izy ireo. 5 Raha enjehin’ny mpamaly ra izy, dia tsy hatolotr’izy ireo eo an-tanany. Tsy nampoiziny* mantsy hoe hahafaty an’ilay olona izy, sady tsy nankahala azy koa izy talohan’izay.+ 6 Hipetraka ao amin’izany tanàna izany izy, mandra-pitsara azy eo anatrehan’ny vahoaka.+ Ary hijanona ao izy mandra-pahafatin’ilay mpisoronabe+ am-perinasa amin’izany fotoana izany. Aorian’izay izy vao mahazo miverina any amin’ilay tanàna nialany tamin’izy nandositra, sy mahazo mody any an-tanànany sy ao an-tranony.’”+
7 Nohamasinin’izy ireo* àry i Kedesy+ any Galilia any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Naftaly, sy Sekema+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, ary Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. 8 Ary ireto avy no nofidin’izy ireo tany amin’ny faritr’i Jordana, atsinanan’i Jeriko: I Bezera+ any an-tany efitra, eny amin’ny lembalemba,* no avy tamin’ny fokon’i Robena; Ramota+ any Gileada no avy tamin’ny fokon’i Gada; ary Golana+ any Basana no avy tamin’ny fokon’i Manase.+
9 Ireo tanàna ireo no nofidina ho an’ny Israelita rehetra sy ho an’ny vahiny nonina teo amin’izy ireo, mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy.+ Amin’izay izy dia tsy ho faty novonoin’ny mpamaly ra, alohan’ny hitsarana azy eo anatrehan’ny vahoaka.+