Sambatra Isika fa Ampisehoan’i Jehovah ny Lalany
“Raha ny amin’Andriamanitra, dia marina ny làlany; ny tenin’i Jehovah dia voazaha toetra amin’ny memy”. — 2 SAMOELA 22:31.
1, 2. a) Zavatra fototra inona no ilain’ny olombelona rehetra? b) Ny ohatra navelan’iza no tsara hotahafintsika?
ZAVATRA fototra ilain’ny olombelona rehetra ny tari-dalana. Eny tokoa, mila fanampiana isika eo am-pamakivakiana ny fiainana. Marina fa nanome antsika fahaiza-misaina sy feon’ny fieritreretana i Jehovah mba hanampiana antsika hahay hanavaka izay tsara sy izay ratsy. Mila fitaizana anefa ny feon’ny fieritreretantsika, raha tiantsika ho mpitari-dalana azo itokisana. (Hebreo 5:14). Ary mila fanazavana araka ny marina ny saintsika, ary koa fanazarana hanombana ny hasarobidin’izany fanazavana izany, raha tiantsika ny handray fanapahan-kevitra tsara. (Ohabolana 2:1-5). Na amin’izay aza anefa, dia mety tsy ho araka izay naniriantsika azy ny vokatry ny fanapahan-kevitsika, noho ireo zavatra tsy azo antoka eo amin’ny fiainana. (Mpitoriteny 9:11). Ny tenantsika manokana dia tsy manana fomba azo antoka hahafantarana izay havoakan’ny ampitso.
2 Noho ireo antony ireo sy ny antony maro hafa koa no nanoratan’i Jeremia mpaminany toy izao: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Nanaiky fitarihan-dalana i Jesosy Kristy, ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Hoy izy: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka.” (Jaona 5:19). Fahendrena tokoa àry ny hanahafana an’i Jesosy ka hitodihana any amin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana eo amin’izay hizorantsika! Nihira toy izao i Davida Mpanjaka: “Raha ny amin’Andriamanitra, dia marina ny làlany; ny tenin’i Jehovah dia voazaha toetra amin’ny memy; Jehovah no ampingan’izay rehetra mialoka aminy.” (2 Samoela 22:31). Raha miezaka handeha amin’ny lalan’i Jehovah isika fa tsy hanaraka ny fahendrentsika manokana, dia hahazo tari-dalana marina, na tonga lafatra. Mitarika ho amin’ny loza ny fandavana ny lalan’Andriamanitra.
Mampiseho ny lalana i Jehovah
3. Ahoana no nitarihan’i Jehovah an’i Adama sy i Eva, ary fahatsinjovan-javatra inona avy no natolony azy mivady?
3 Hevero ny amin’i Adama sy i Eva. Na dia tsy nanana ota aza izy ireo, dia nila fitarihan-dalana. Tsy namela an’i Adama hanao fandaharana samirery ny amin’ny zava-drehetra, tao amin’ny sahan’i Edena kanto, i Jehovah, fa nanome azy asa tokony hatao kosa. Voalohany aloha, dia tsy maintsy nanome anarana ireo biby i Adama. Avy eo, dia nametraka tanjona lavitra ezaka ho an’i Adama sy i Eva, i Jehovah. Tokony hampanompo ny tany izy mivady, ka hameno azy io amin’ny taranany, ary hikarakara ny biby eto an-tany. (Genesisy 1:28). Ho asa goavana izany, nefa ny ho vokany farany dia paradisa haneran-tany izay ho feno olombelona lavorary hiara-miaina amim-pilaminana amin’ny biby. Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona re izany! Ankoatra izany, raha mbola nandeha tamim-pahatokiana tamin’ny lalan’i Jehovah i Adama sy i Eva, dia ho afaka nifampiresaka taminy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 3:8.) Tombontsoa mahatalanjona tokoa izany hanana fifandraisana manokana tsy tapaka amin’ilay Mpamorona izany!
4. Ahoana no tsy nanehoan’i Adama sy i Eva fitokisana sy tsy fivadihana, ary zava-doza inona avy no vokatr’izany?
4 Noraran’i Jehovah ilay mpivady olombelona voalohany tsy hihinana tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy tao Edena. Izany dia nanome azy mivady fahafahana mivantana haneho ny fankatoavany, dia ny faniriany handeha amin’ny lalan’i Jehovah. (Genesisy 2:17). Tsy ela anefa dia notsapaina izany fankatoavana izany. Rehefa tonga mba hamitaka i Satana, dia nila naneho tsy fivadihana tamin’i Jehovah sy nitoky tamin’ny fampanantenany i Adama sy i Eva, raha tiany ny hankato hatrany. Mampalahelo fa tsy naneho fitokisana sy tsy fivadihana izy ireo. Rehefa nanolotra an’i Eva fahaleovan-tena i Satana, ary nanendrikendrika an’i Jehovah ho nandainga, dia voafitaka i Eva, ka tsy nankato an’Andriamanitra. Nanaraka an’i Eva tao amin’ny fahotana i Adama. (Genesisy 3:1-6; 1 Timoty 2:14). Fahavoazana iray lavaka no vokatr’izany ho azy mivady. Ho nampitombo hatrany ny fifalian’izy mivady ny fandehanany tamin’ny lalan’i Jehovah, teo am-panatanterahany tsikelikely ny sitrapon’i Jehovah. Izao anefa ny fiainany dia feno fahadisoam-panantenana sy fahoriana, mandra-pahatongan’ny fotoana hahafatesany. — Genesisy 3:16-19; 5:1-5.
5. Inona no fikasan’i Jehovah maharitra, ary ahoana no anampiany ny olona mahatoky hahita ny fahatanterahan’izany?
5 Na izany aza, dia tsy novan’i Jehovah ilay fikasany hoe indray andro any dia ho fonenana paradisa ho an’ny olombelona lavorary sy tsy misy ota, ny tany. (Salamo 37:11, 29). Ary tsy hadinony mihitsy ny nanome tari-dalana tonga lafatra ho an’ireo mandeha amin’ny lalany ka manantena ny hahita ny fahatanterahan’io fampanantenana io. Ho antsika izay manan-tsofina hihainoana, dia eo ivohontsika ny feon’i Jehovah, manao hoe: “Ity no làlana, ka andehano.” — Isaia 30:21.
Ny sasany izay nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah
6. Lehilahy roa iza tamin’ny andro fahiny no nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany?
6 Araka ny fitantaran’ny Baiboly, dia vitsy monja tamin’ny taranak’i Adama sy i Eva no nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah. I Abela no voalohany tamin’izy ireo. Na maty aloha be aza izy, dia nahazo sitraka tamin’i Jehovah teo am-pahafatesany, ka nanana fanantenana azo antoka ny hanana anjara amin’ny “fitsanganan’ny marina”, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 24:15). Hahita ny fahatanterahan’ilay fikasana lehiben’i Jehovah ho an’ny tany sy ny olombelona any aoriana, izy. (Hebreo 11:4). Olona iray hafa nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah i Enoka. Voarakitra ao amin’ny bokin’i Joda ny faminaniany momba ny faran’ity fandehan-javatra ity. (Joda 14, 15). Maty aloha be koa i Enoka. (Genesisy 5:21-24). Na izany aza, dia “nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy”. (Hebreo 11:5). Sahala amin’i Abela, dia nanana fanantenana azo antoka ny hatsangana izy teo am-pahafatesany, ka ho anisan’ireo izay hahita ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah.
7. Ahoana no nanehoan-dry Noa mianakavy tsy fivadihana sy fitokisana tamin’i Jehovah?
7 Rehefa nihanilentika tao anatin’ny faharatsiana ny tontolo talohan’ny Safo-drano, dia nihananjary voasedra ny tsy fivadihana, noho ny fankatoavana an’i Jehovah. Olona vitsy monja no hita ho nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah, teo am-pifaranan’izany tontolo izany. Nihaino an’Andriamanitra ry Noa mianakavy, ka nitoky tamin’izay nolazainy. Nanatontosa tamim-pahatokiana ireo asa nampanaovina azy izy ireo, ka tsy nanaiky ho voafandriky ny fanao ratsin’ny tontolo tamin’izany andro izany. (Genesisy 6:5-7, 13-16; Hebreo 11:7; 2 Petera 2:5). Afaka ny ho velom-pankasitrahana isika noho izy ireo nankato tamim-panehoana fitokisana sy tsy fivadihana. Noho izany fankatoavany izany no nahatafita velona azy ireo tamin’ny Safo-drano, ka tonga razambentsika. — Genesisy 6:22; 1 Petera 3:20.
8. Ho an’ny firenen’ny Isiraely, nahafaoka inona ny fandehanana tamin’ny lalan’Andriamanitra?
8 Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanao fanekena tamin’ireo taranak’i Jakoba nahatoky i Jehovah, ka tonga fireneny manokana izy ireo. (Eksodosy 19:5, 6). Nanome fitarihan-dalana ho an’ilay vahoaka vita fanekena taminy i Jehovah, tamin’ny alalan’ny Lalàna an-tsoratra sy ireo mpisorona ary ny tari-dalana ara-paminaniana nomena tsy tapaka. Anjaran’ny Isiraelita anefa ny nanaraka izany fitarihan-dalana izany. Nasain’i Jehovah nilaza toy izao tamin’ny Isiraelita ny mpaminaniny: “Indro, izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio: fitahiana, raha hohenoinareo ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio; ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ny làlana izay andidiako anareo anio mba haleha hianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.” — Deoteronomia 11:26-28.
Ny antony nialan’ny sasany tamin’ny lalan’i Jehovah
9, 10. Toe-javatra inona no nilan’ny Isiraelita nitoky tamin’i Jehovah sy namboly tsy fivadihana taminy?
9 Toy ny tamin’i Adama sy i Eva, dia nila nitoky sy tsy nivadika tamin’i Jehovah ny Isiraelita, raha ta hankato azy hatrany. Firenena kely voahodidina firenena tia ady ny Isiraely. I Ejipta sy i Etiopia no tany atsimoandrefana. I Syria sy i Asyria no tany avaratratsinanana. I Filistia, i Amona, i Moaba, ary i Edoma no nifanila taminy. Samy hita ho fahavalon’ny Isiraely avokoa izy rehetra ireo, tamin’ny fotoana samihafa. Ankoatra izany, izy rehetra ireo dia samy nanaraka fivavahan-diso, izay niavaka noho ny fivavahana tamin’ny andriamanitra sampy, ny fanandroana, ary tamin’ny toe-javatra sasany, dia ny fombafomba naharikoriko momba ny lahy sy ny vavy, sy ilay fanaovana sorona ankizy tamin-kabibiana. Nitodika tany amin’ireo andriamaniny ireny firenena nanodidina ny Isiraely ireny mba hahazoana zanaka maro sy vokatra tondraka ary fandresena tamin’ny ady.
10 Ny Isiraely irery no nivavaka tamin’Andriamanitra tokana, dia i Jehovah. Nampanantena azy ireo i Jehovah fa handrotsaka fitahiana, dia zanaka maro sy vokatra tondraka ary fiarovana tamin’ny fahavalony, raha toa ka nankato ny lalàny izy ireo. (Deoteronomia 28:1-14). Mampalahelo fa tsy nankato ny ankamaroan’ny Isiraelita. Ary tamin’ireo izay nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah, dia nijaly noho ny tsy fivadihany ny ankamaroany. Ny sasany aza nampijalijalin’ny Isiraelita tahaka azy ihany, nesoiny, nokapohiny, nataony an-tranomaizina, notorahany vato, ary novonoiny ho faty. (Asan’ny Apostoly 7:51, 52; Hebreo 11:35-38). Tsy maintsy ho fisedrana ho an’ireo nahatoky tokoa izany! Nahoana anefa no maro be no niala tamin’ny lalan’i Jehovah? Misy ohatra roa ao amin’ny tantaran’ny Isiraely, manampy antsika hahatakatra ny fiheveran-disony.
Ny ohatra ratsy navelan’i Ahaza
11, 12. a) Tsy nety nanao inona i Ahaza, rehefa norahonan’i Syria? b) Loharano roa inona avy no nitadiavan’i Ahaza fiarovana?
11 Nanapaka teo amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo i Ahaza, tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i. Tsy nilamina ny fotoana nanjakany. Indray mandeha i Syria sy ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, dia nivondrona hiady tamin’i Ahaza, ka “nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an’ala ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka”. (Izaia 7:1, 2, Fandikan-teny Katolika). Rehefa nanolotra ny fanohanany anefa i Jehovah ka nanasa an’i Ahaza hizaha toetra azy, dia nanda an-kitsirano i Ahaza! (Isaia 7:10-12). Ho vokany, dia resy tamin’ilay ady ny Joda, ka nahafatesana sy nahababoana maro. — 2 Tantara 28:1-8.
12 Na dia tsy nety nizaha toetra an’i Jehovah aza i Ahaza, dia tsy nanan-kambo akory, satria nangataka fanampiana tamin’ny mpanjakan’i Asyria ihany. Na izany aza, dia mbola nampahorin’ireo firenena nanodidina ihany ny Joda. Rehefa nivadika namely an’i Ahaza koa i Asyria, ka “nampahory azy”, dia “namono zavatra hatao fanatitra ho an’ireo andriamanitr’i Damaskosy, izay namely azy, [ilay mpanjaka] ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy”. — 2 Tantara 28:20, 23.
13. Inona no nasehon’i Ahaza tamin’ny nitodihany tany amin’ireo andriamanitr’i Syria?
13 Hoy i Jehovah tamin’ny Isiraely, tatỳ aoriana kokoa: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao”. (Isaia 48:17, 18). Tamin’ny nitodihany tany amin’ireo andriamanitr’i Syria no nampisehoan’i Ahaza fa lasa lavitra tokoa an’ilay ‘lalana tokony halehany’ izy. Namitaka azy tanteraka ny fiheveran’ireo firenena, ka nitodika tany amin’ireo loharanom-piarovany sandoka izy, fa tsy tany amin’i Jehovah.
14. Nahoana i Ahaza no tsy afa-tsiny rehefa nitodika tany amin’ireo andriamani-diso?
14 Naseho efa hatramin’ny ela ho “andriamani-tsi-izy” ny andriamanitr’ireo firenena, anisan’izany ny an’i Syria. (Isaia 2:8). Tany aloha kokoa, nandritra ny fanapahan’i Davida Mpanjaka, dia hita mazava fa ambony noho ireo andriamanitr’i Syria i Jehovah, rehefa tonga mpanompon’i Davida ny Syrianina. (1 Tantara 18:5, 6). I Jehovah irery ihany, ilay “Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra”, no afaka manome ny tena fiarovana. (Deoteronomia 10:17, fanamarihana ambany pejy). Nanda an’i Jehovah anefa i Ahaza, ka nitodika tany amin’ny andriamanitr’ireo firenena mba hahazoana fiarovana. Zava-doza no vokatr’izany ho an’ny Joda. — 2 Tantara 28:24, 25.
Ireo Jiosy niaraka tamin’i Jeremia tany Ejipta
15. Ahoana no nanotan’ireo Jiosy tany Ejipta tamin’ny andron’i Jeremia?
15 Tafahoatra ny fivadihan’ny vahoakany, hany ka navelan’i Jehovah handrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny Babylonianina tamin’ny 607 al.f.i. Natao sesitany tany Babylona ny ankamaroan’ny Isiraelita. Nisy anefa navela tao amin’ilay tany, ary anisan’izy ireny i Jeremia mpaminany. Rehefa nisy namono i Gedalia Governora, dia nandositra nankany Ejipta ilay antokon’olona ka nitondra an’i Jeremia niaraka taminy. (2 Mpanjaka 25:22-26; Jeremia 43:5-7). Nanomboka nanao sorona ho an’ny andriamani-diso izy ireo tany. Nananatra mafy an’ireo Jiosy tsy nahatoky i Jeremia, nefa be kirina izy ireo. Tsy nety nitodika tany amin’i Jehovah izy ireo, fa mbola nikiry nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny “mpanjakavavin’ny lanitra” ihany. Fa nahoana? Satria izany, hono, no efa nataon’izy ireo sy ny razany ‘tany amin’ny tanànan’ny Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izy ireo sady nambinina ary tsy nahita loza’. (Jeremia 44:16, 17). Nanizingizina koa izy ireo hoe: “Hatrizay nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na inona akory izahay sady ringan’ny sabatra sy ny mosary.” — Jeremia 44:18.
16. Nahoana ireo Jiosy tany Ejipta no diso tanteraka teo amin’ny fanjohian-keviny?
16 Hain’ny fahatsiarovana tokoa ny mifantina izay tiany! Inona anefa no tena zava-nisy? Tena nanao sorona ho an’ny andriamani-diso tokoa ny Jiosy tany amin’ilay tany nomen’i Jehovah azy ireo. Indraindray dia nijaly noho izany fivadiham-pinoana izany izy ireo, toy ny tamin’ny andron’i Ahaza. ‘Nahari-po’ tamin’ilay vahoaka vita fanekena taminy anefa i Jehovah. (Eksodosy 34:6; Salamo 86:15). Naniraka ireo mpaminaniny izy mba hampirisika azy ireo hibebaka. Indraindray, rehefa nahatoky ny mpanjaka, dia notahin’i Jehovah, ka nandray soa avy tamin’izany fitahiana izany ny vahoaka, na tsy nahatoky aza ny ankamaroan’izy ireo. (2 Tantara 20:29-33; 27:1-6). Diso hevitra tokoa ireo Jiosy tany Ejipta rehefa nilaza fa avy tamin’ny andriamani-disony no nahazoany izay nety ho fanambinana ara-nofo tany an-tanindrazany!
17. Nahoana no namoy ny taniny sy ny tempoliny ny Joda?
17 Talohan’ny 607 al.f.i., dia nampirisika ny vahoakan’ny Joda toy izao i Jehovah: “Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary hianareo ho oloko ka handeha amin’ny làlana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.” (Jeremia 7:23). Namoy ny tempoliny sy ny taniny ireo Jiosy, ka ny anton’izany indrindra indrindra dia ny tsy naneken’izy ireo handeha ‘amin’ny lalana rehetra nandidian’i Jehovah azy ireo’. Aoka isika hahazo antoka fa hanalavitra ny fanaovana izany fahadisoana bevava izany.
Mitahy an’ireo izay mandeha amin’ny lalany i Jehovah
18. Inona no tsy maintsy ataon’ireo izay mandeha amin’ny lalan’i Jehovah?
18 Amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny lasa, ny fandehanana amin’ny lalan’i Jehovah dia mitaky tsy fivadihana — fahatapahan-kevitra tsy hanompo afa-tsy i Jehovah irery ihany. Izany dia mitaky fitokisana — finoana tanteraka fa azo itokisana ny fampanantenan’i Jehovah ka ho tanteraka. Ny fandehanana amin’ny lalan’i Jehovah dia mitaky fankatoavana — fanarahana ireo lalàny sy tsy fialana amin’izany ary fihazonana ireo fari-pitsipiny ambony. “Marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany”. — Salamo 11:7.
19. Andriamanitra inona avy no ivavahan’ny maro amin’izao andro izao, ary inona avy no vokatr’izany?
19 Nitodika tany amin’ireo andriamanitr’i Syria i Ahaza mba hahazoana fiarovana. Nanantena ireo Isiraelita tany Ejipta fa hanome azy ireo fanambinana ara-nofo ny “mpanjakavavin’ny lanitra”, izay andriamanibavy nivavahana hatraiza hatraiza tany Moyen-Orient fahiny. Amin’izao andro izao, dia andriamanitra maro no tsy sampy ara-bakiteny. Nampitandrina i Jesosy fandrao ny “Harena” indray no tompoina fa tsy i Jehovah. (Matio 6:24, fanamarihana ambany pejy). Noresahin’ny apostoly Paoly ny amin’ny “fitsiriritana, izay fanompoan-tsampy”. (Kolosiana 3:5, NW ). Noresahiny koa ny amin’ireo izay manao ‘ny kibony ho andriamaniny’. (Filipiana 3:19). Eny, anisan’ireo andriamanitra lehibe indrindra ivavahana amin’izao andro izao ny vola sy ny zavatra ara-nofo. Raha ny marina, dia ny ankamaroan’ny olona, anisan’izany ny olona maro manaraka fivavahana, no ‘matoky ny harena miovaova’. (1 Timoty 6:17). Olona maro no miasa mafy manompo ireo andriamanitra ireo, ary ny sasany mahazo valisoa, toy ny fipetrahana ao amin’ny trano faran’izay kanto, ny fananana zavatra lafo vidy, sy ny fihinanana hanim-py. Tsy ny rehetra anefa no manam-be toy izany. Ary na ireo manam-be aza, dia mahita amin’ny farany fa ireny zavatra ireny mihitsy no tsy mitondra fahafaham-po. Tsy azo antoka izy ireny, mihelina, ary tsy manome izay ilaina ara-panahy. — Matio 5:3, NW.
20. Fahaiza-mandanjalanja manao ahoana no tokony hohazonintsika hatrany?
20 Marina fa tsy maintsy mijery ny zava-misy isika izay miaina amin’izao andro faran’ity fandehan-javatra ity izao. Mila manao zavatra araka ny antonony isika mba hanomezana izay ilain’ny fianakaviantsika eo amin’ny lafiny ara-nofo. Raha heverintsika ho misy vidiny kokoa noho ny fanompoana an’Andriamanitra anefa ny fari-piainana ambony, ny fikatsahana vola, na ny zavatra mitovy amin’izany, dia efa latsaka ao anatin’ny karazana fanompoan-tsampy isika, ka tsy mandeha intsony amin’ny lalan’i Jehovah. (1 Timoty 6:9, 10). Ahoana anefa raha miatrika olana ara-pahasalamana, ara-bola, na olana hafa isika? Aoka isika tsy hanahaka ireo Jiosy tany Ejipta izay nihevitra fa ny fanompoana an’Andriamanitra no nahatonga ny zava-nanahirana azy. Aoka kosa isika hizaha toetra an’i Jehovah, fa tsy hanao toa an’i Ahaza. Manehoa tsy fivadihana amin’ny fitodihana any amin’i Jehovah Andriamanitra mba hahazoana fitarihana. Ampiharo amin-toky ny fitarihany, ary mivavaha mba hahazoana tanjaka sy fahendrena hoenti-miatrika ny toe-javatra tsirairay. Avy eo, dia andraso amin-toky ny fitahian’i Jehovah.
21. Fitahiana inona avy no raisin’ireo mandeha amin’ny lalan’i Jehovah?
21 Nandritra ny tantaran’ny Isiraely, dia nandrotsaka fitahiana tondraka tamin’ireo izay nandeha tamin’ny lalany i Jehovah. Nihira toy izao i Davida Mpanjaka: “Jehovah ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho noho ny amin’ny mpampahory ahy”. (Salamo 5:8). Notohanan’i Jehovah i Davida ka nandresy an’ireo firenena nanodidina, izay nampahory an’i Ahaza tatỳ aoriana. Teo ambany fanapahan’i Solomona, dia voatahy ny Isiraely ka nahazo ilay fiadanana sy fanambinana ara-nofo izay nirin’ireo Jiosy fatratra tany Ejipta tatỳ aoriana. Notohanan’i Jehovah i Hezekia, zanak’i Ahaza, ka nandresy an’i Asyria nahery mihitsy aza. (Isaia 59:1). Eny, tsy fohy ny tanan’i Jehovah rehefa nanampy an’ireo tsy nivadika taminy, izay tsy nijanona ‘teo amin’ny lalana falehan’ny mpanota’, fa nankasitraka ny lalàn’Andriamanitra kosa. (Salamo 1:1, 2). Mbola marina ihany izany. Ahoana anefa no ahazoantsika antoka amin’izao andro izao fa mandeha amin’ny lalan’i Jehovah isika? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
Tadidinao Ve?
◻ Toetra inona avy no tena ilaina raha tiantsika ny handeha amin’ny lalan’i Jehovah?
◻ Nahoana no diso hevitra i Ahaza?
◻ Inona no nahadiso ny fanjohian-kevitr’ireo Jiosy tany Ejipta?
◻ Ahoana no ahafahantsika manamafy ny fahatapahan-kevitsika handeha amin’ny lalan’i Jehovah?
[Sary, pejy 13]
Nitodika tany amin’ireo andriamanitr’i Syria i Ahaza fa tsy tany amin’i Jehovah