Salamo
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
4 Efa nivoaka eran-tany anefa ny tady fandrefesany,+
Ary efa tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny teny lazainy.+
Nasian’Andriamanitra tranolay ho an’ny masoandro, eny amin’ny lanitra.+
5 Toy ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitranony izy.+
Ary mifaly toy ny lehilahy matanjaka mihazakazaka eny amin’ny lalany.+
6 Avy any amin’ny faravodilanitra iray no iaingany,
Ary any amin’ny faravodilanitra anankiray no amaranany ny diany.+
Tsy misy tsy azon’ny hafanany.+
7 Tonga lafatra+ ny lalàn’i+ Jehovah sady mamelombelona.+
Azo itokisana+ ny fampahatsiahivan’i+ Jehovah, mampahahendry+ an’izay mbola tsy dia nandia fiainana.
10 Faniry noho ny volamena ireny, eny, noho ny volamena voadio be dia be,+
Ary mamy noho ny tantely+ sy ny tantely mikoriana avy amin’ny tohotra.*+
11 Fampitandremana ho an’ny mpanomponao koa ireny,+
Ary ahazoana valisoa lehibe ny fitandremana azy.+
12 Iza no mahatsapa ny fahadisoana ataon’ny tenany?+
Mamelà ahy amin’izay fahotana tsy fantatro akory.+