Salamo
Ho an’ny mpitarika. Hira fiderana nataon’i Davida.
68 Aoka hitsangana Andriamanitra,+ ary aoka hiparitaka ny fahavalony.+
Aoka handositra azy izay mankahala mafy azy.+
2 Horoahinao anie ireny ka hataonao toy ny setroka entin’ny rivotra!+
Ary toy ny savoka atsoniky ny afo+
No aoka hahalevona ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra.+
3 Fa ny olo-marina kosa, aoka hifaly+
Sy ho dibo-kafaliana eo anatrehan’Andriamanitra,+
Ary hiravoravo sy hifaly.+
4 Mihirà ho an’Andriamanitra! Manaova hira fiderana ho an’ny anarany!+
Manandrata hira ho an’Ilay mandeha mamakivaky ny lemaka karakaina,+
Dia ilay manana anarana hoe Jah.*+ Ary miravoravoa eo anatrehany.
5 Ray ho an’ny kamboty ray ary mpitsara ho an’ny mpitondratena+
Andriamanitra, izay ao amin’ny fonenany masina.+
6 Manome trano ho an’ny manirery Andriamanitra.+
Manafaka ny voafonja izy ka manome azy fanambinana.+
Fa ireo mafy loha kosa honina any amin’ny tany karakaina.+
7 Andriamanitra ô, rehefa nandeha teo alohan’ny vahoakanao ianao,+
Ary nandeha namakivaky ny tany efitra,+ Sela.
8 Dia nihovotrovotra ny tany,+
Ary nitete ny lanitra, teo anatrehan’Andriamanitra.+
Nihovotrovotra i Sinay teo anatrehan’Andriamanitra,+ dia ilay Andriamanitry ny Israely.+
9 Nampilatsaka oram-be mivatravatra ianao, Andriamanitra ô!+
Na dia reraka aza ny lovanao, dia nohatanjahinao.+
10 Nitoetra tao an-toby ny vahoakanao,+ izay nonina an-tranolay.+
Noho ny hatsaran-toetranao, dia nanomana izany toby izany ho an’ny ory ianao, Andriamanitra ô!+
11 Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina,+
Ary tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.+
12 Ireo mpanjakan’ny tafika dia mandositra, eny, mandositra izy ireo.+
Fa ny vehivavy mijanona ao an-trano kosa mahazo anjara amin’izay nobaboina.+
13 Na dia mandry eny anelanelan’ny antontan-davenona ao an-toby aza ianareo,
Dia hanana ela-boromailala voarakotra volafotsy,
Sy volon’elatra voarakotra volamena maitso somary mavo.+
15 Tendrombohitr’Andriamanitra+ ny faritra be tendrombohitr’i Basana.+
Tendrombohitra maro tendro ny faritra be tendrombohitr’i Basana.+
16 Nahoana ianareo, ry tendrombohitra maro tendro, no mialona
Ny tendrombohitra irin’Andriamanitra honenana?+
I Jehovah mihitsy no hitoetra ao mandrakizay.+
17 An’aliny ny kalesin’adin’Andriamanitra, eny, arivoarivo.+
Avy tany Sinay i Jehovah no nankao amin’ny toerana masina.+
18 Niakatra tany amin’ny avo ianao,+
Ary nitondra babo.+
Nisy lehilahy nalainao hatao fanomezana,+
Eny, nalainao hatramin’ireo mafy loha,+ mba honenanao eo aminy,+ ry Jah Andriamanitra ô!
19 Hisaorana anie i Jehovah, izay mitondra ny entantsika isan’andro,+
Eny, ilay Andriamanitry ny famonjena antsika!+ Sela.
20 Ilay tena Andriamanitra no Andriamanitra mpamonjy antsika.+
Ary i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony,+ no manafaka amin’ny fahafatesana.+
21 Hotorotoroin’Andriamanitra ny lohan’ny fahavalony,+
Dia ny tampon-dohan’izay mikiry amin’ny helony.+
22 Hoy i Jehovah: “Halaiko avy any Basana izy ireo,+
Ary halaiko avy any amin’ny ranomasina lalina,+
23 Mba hanasanao ny tongotrao amin’ny ra,+
Ary mba hilelafan’ny alikanao ny ran’ny fahavalo.”+
24 Hitan’izy ireo ny filaharana tarihinao, Andriamanitra ô,+
Eny, ny filaharana tarihin’ilay Andriamanitro sady Mpanjakako, hankao amin’ny toerana masina.+
25 Teo aloha ireo mpihira, ary tao aoriany ny mpitendry lokanga.+
Teo afovoany kosa ny ankizivavy nively ampongatapaka.+
26 Misaora an’Andriamanitra eo anivon’ny vahoaka tafavory.+
Misaora an’i Jehovah ianareo avy amin’ny Loharanon’i Israely.+
27 Teo koa i Benjamina kely izay nandresy an’ireny,+
Ny andrianan’i Joda mbamin’ny vahoakany mihorakoraka,
Ary ny andrianan’i Zebolona, sy ny andrianan’i Naftaly.+
28 Nandidy ny hampisehoanao ny herinao ny Andriamanitrao.+
Asehoy ny herinao Andriamanitra ô, dia ianao izay nanao zavatra ho anay.+
30 Teneno mafy ny bibidia any anaty bararata,+ sy ny andian’ombilahy,+
Mbamin’ny zanak’ombin’ny vahoaka, fa samy manitsakitsaka volafotsy ireny.+
Manaparitaka ny olona tia ady Izy.+
31 Hisy zavatra vita amin’ny halimo ho tonga avy any Ejipta.+
Ary i Kosy* ho mailaka hanolotra fanomezana ho an’Andriamanitra.+
32 Mihirà ho an’Andriamanitra ianareo, ry fanjakana eto an-tany,+
Manaova hira fiderana ho an’i Jehovah Sela.
33 Eny, mihirà ho an’Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra, dia ny lanitra efa nisy hatry ny ela.+
Injay izy mampanakoako ny feony, dia feo mafy.+