2 Timoty
1 Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra+ sy araka ny fampanantenana fiainana+ ao amin’i Kristy Jesosy.+
2 Ho an’i Timoty, zanako malalako,+
Ho aminao anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny famindram-po ary ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika!+
3 Velom-pisaorana an’Andriamanitra aho, dia ilay Andriamanitra izay anaovako fanompoana masina+ toy ny nataon’ny razako+ sy amim-pieritreretana madio.+ Eny, velom-pisaorana azy aho, satria tsy mitsahatra mihitsy mahatsiaro anao rehefa mitalaho amim-bavaka+ andro aman’alina. 4 Ary rehefa mahatsiaro ny ranomasonao aho dia maniry mafy ny hahita anao,+ mba hahafeno fifaliana ahy. 5 Tsaroako mantsy ny finoana+ tsy mihatsaravelatsihy+ anananao, izay efa tao amin’i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao aminao koa.
6 Izany indrindra no antony ampahatsiahivako anao mba hataonao miredareda toy ny afo+ ilay fanomezan’Andriamanitra,+ izay noraisinao rehefa nametra-tanana taminao aho.+ 7 Fa Andriamanitra tsy nanome antsika toe-tsaina kanosa,+ fa toe-tsaina feno hery+ sy fitiavana ary fahaiza-misaina.+ 8 Koa aza menatra mitory momba ny Tompontsika,+ na menatra noho ny amiko, dia izaho izay voafonja noho ny aminy.+ Fa miareta kosa fahoriana+ noho ny vaovao tsara, araka ny herin’Andriamanitra.+ 9 Izy no namonjy+ sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina,+ tsy noho izay nataontsika+ anefa, fa noho ny fikasany sy ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Naneho izany hatsaram-panahy izany tamintsika efa hatramin’ny ela be+ izy, noho ny amin’i Kristy Jesosy, 10 fa ankehitriny kosa izany vao natao mazava tsara, tamin’ny alalan’ny fisehoan’i+ Kristy Jesosy Mpamonjy antsika. Izy no nanafoana ny fahafatesana+ sy nanambara mazava+ tamin’ny alalan’ny vaovao tsara,+ ny momba ny fiainana+ sy ny tsy fetezan-ko lo.+ 11 Ary ho amin’izany vaovao tsara izany no nanendrena ahy ho mpitory sy apostoly ary mpampianatra.+
12 Izany indrindra koa no iaretako+ ireny zavatra ireny. Tsy menatra+ anefa aho. Fantatro mantsy ilay inoako, ary matoky aho fa vitany ny miaro+ an’izay nankiniko taminy mandra-pahatongan’izany andro izany.+ 13 Hazòny hatrany ny modelin’ny teny mahasoa+ izay efa renao tamiko, ary ataovy amim-pinoana sy fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy izany.+ 14 Arovy amin’ny alalan’ny fanahy masina izay mitoetra ao anatintsika+ izany zavatra tsara nankinina+ taminao izany.
15 Fantatrao fa efa niala tamiko+ ireo rehetra any amin’ny faritr’i Azia,+ anisan’izany i Fygelo sy Hermogena. 16 Fa enga anie ny Tompo hiantra ny ankohonan’i Onesiforosy,+ satria namelombelona+ ahy matetika izy, sady tsy mba nahamenatra azy ny rojo vy+ namatorana ahy. 17 Nitady mafy ahy izy tamin’izy tany Roma, ka nahita ahy.+ 18 I Jehovah Tompo anie hiantra+ azy amin’izany andro+ izany! Ary fantatrao tsara ny fanompoana rehetra nataony tany Efesosy.