Matio
1 Ny bokin’ny tantaran’i+ Jesosy Kristy, zanak’i Davida,+ zanak’i Abrahama:+
2 I Abrahama niteraka an’i Isaka;+
Isaka niteraka an’i Jakoba;+
Jakoba niteraka an’i Joda+ sy ireo rahalahiny;
3 Joda niteraka an’i Pereza+ sy Zera tamin’i Tamara;
Pereza niteraka an’i Hezrona;+
Hezrona niteraka an’i Rama;+
4 Rama niteraka an’i Aminadaba;
Aminadaba niteraka an’i Nasona;+
Nasona niteraka an’i Salmona;+
5 Salmona niteraka an’i Boaza tamin’i Rahaba;+
Boaza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota;+
Obeda niteraka an’i Jese;+
6 Jese niteraka an’i Davida+ Mpanjaka;+
Davida niteraka an’i Solomona+ tamin’ny vadin’i Oria;
7 Solomona niteraka an’i Rehoboama;+
Rehoboama niteraka an’i Abia;
8 Asa niteraka an’i Josafata;+
Josafata niteraka an’i Jorama;+
Jorama niteraka an’i Ozia;
9 Ozia niteraka an’i Jotama;
Ahaza niteraka an’i Hezekia;+
10 Hezekia niteraka an’i Manase;+
Amona+ niteraka an’i Josia;
11 Josia+ niteraka an’i Jekonia+ sy ireo rahalahiny tamin’ny fotoana nandefasana ny Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona;+
12 Jekonia niteraka an’i Sealtiela+ tany Babylona;
Sealtiela niteraka an’i Zerobabela;+
13 Zerobabela niteraka an’i Abihoda;
Abihoda niteraka an’i Eliakima;
Eliakima niteraka an’i Azora;
14 Azora niteraka an’i Zadoka;
Zadoka niteraka an’i Akima;
Akima niteraka an’i Elihoda;
15 Elihoda niteraka an’i Eleazara;
Eleazara niteraka an’i Matana;
Matana niteraka an’i Jakoba;
16 Jakoba niteraka an’i Josefa vadin’i Maria, ary i Maria niteraka an’i Jesosy,+ izay antsoina hoe Kristy.+
17 Ny taranaka rehetra nanomboka tamin’i Abrahama ka hatramin’i Davida àry, dia nisy efatra ambin’ny folo; ary nanomboka tamin’i Davida ka hatramin’ny sesitany tany Babylona, dia efatra ambin’ny folo; ary nanomboka tamin’ny sesitany tany Babylona ka hatramin’i Kristy, dia efatra ambin’ny folo.
18 Toy izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy:
Efa voafofo+ ho vadin’i Josefa i Maria renin’i Jesosy no* nitoe-jaza noho ny herin’ny fanahy* masina,+ raha mbola tsy niray trano izy roa. 19 Olo-marina anefa i Josefa vadiny, sady tsy te hanala baraka azy ampahibemaso,+ ka nikasa hisaraka+ taminy mangingina. 20 Rehefa avy nieritreritra tsara momba izany anefa i Josefa, dia niseho taminy tao amin’ny nofy ny anjelin’i Jehovah, ka nilaza hoe: “Ry Josefa zanak’i Davida, aza matahotra ny hitondra an’i Maria vadinao ho ao an-tranonao, fa avy tamin’ny fanahy masina ny zaza ao an-kibony.+ 21 Hiteraka zazalahy izy, ary ataovy hoe Jesosy* ny anarany,+ fa izy no hamonjy+ ny fireneny+ ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo.”+ 22 Nitranga tokoa izany rehetra izany mba ho tanteraka izay nolazain’i Jehovah+ tamin’ny alalan’ny mpaminaniny+ hoe: 23 “Ho bevohoka ny virjiny+ ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Imanoela.”+ Raha adika izany dia hoe: “Momba Anay Andriamanitra.”+
24 Dia nifoha tamin’ny torimasony i Josefa, ka nanao araka izay nasain’ilay anjelin’i Jehovah nataony, ary nentiny tany an-tranony ny vadiny. 25 Tsy nanao firaisana+ taminy anefa i Josefa mandra-piterany zazalahy.+ Ary nataony hoe Jesosy ny anarany.+