Genesisy
14 Izao no nitranga tamin’ny andron’i Amrafela mpanjakan’i Sinara,+ sy Arioka mpanjakan’i Elasara, sy Kedorlaomera+ mpanjakan’i Elama,+ ary Tidala mpanjakan’i Goima: 2 Niaraka ireo mpanjaka ireo ka niady tamin’i Bera mpanjakan’i Sodoma,+ Birsa mpanjakan’i Gomora,+ Sinaba mpanjakan’i Adma, Semebera mpanjakan’i Zeboima,+ ary ny mpanjakan’i Bela, izany hoe Zoara. 3 Nivondrona ny miaramilan’izy rehetra ireo teo amin’ny Lohasahan’i* Sidima,+ izany hoe teo amin’ny Ranomasin-tsira.*+
4 Nanompo an’i Kedorlaomera nandritra ny 12 taona mantsy ireo mpanjaka dimy ireo, saingy nikomy tamin’ny taona faha-13. 5 Tamin’ny taona faha-14 àry, dia tonga i Kedorlaomera sy ny mpanjaka niaraka taminy, ka resin’izy ireo tao Asterota-karnaima ny Refaima, tao Hama ny Zozima, tao Save-kiriataima ny Emima,+ 6 ary teny amin’ny tendrombohitr’i Seira+ hatrany Ela-parana, any an-tany efitra, ny Horita.+ 7 Dia niverina izy ireo ka tonga tao Ena-mispata, izany hoe Kadesy.+ Lasan’izy ireo ny faritra rehetra nisy ny Amalekita,+ ary resiny koa ny Amorita+ nipetraka tao Hazazona-tamara.+
8 Tamin’izay dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma, ny mpanjakan’i Gomora, ny mpanjakan’i Adma, ny mpanjakan’i Zeboima, ary ny mpanjakan’i Bela na Zoara, ka nilahatra hiady tamin’ireo teo amin’ny Lohasahan’i* Sidima, 9 izany hoe hiady tamin’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama, sy Tidala mpanjakan’i Goima, sy Amrafela mpanjakan’i Sinara, ary Arioka mpanjakan’i Elasara.+ Mpanjaka efatra no niady tamin’ny mpanjaka dimy. 10 Ary feno lavaka godorao ny Lohasahan’i* Sidima. Niezaka nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora, nefa latsaka tao anatin’ireny lavaka ireny. Ny mpanjaka sasany koa nandositra nankeny amin’ny faritra be tendrombohitra. 11 Dia nalain’ireo mpanjaka nandresy ireo daholo ny fananan’i Sodoma sy Gomora sy ny sakafo rehetra tao, ka lasa izy ireo.+ 12 Nentiny koa i Lota, ilay zana-drahalahin’i Abrama nipetraka tao Sodoma,+ niaraka tamin’ny fananany, ka nanohy ny diany izy ireo.
13 Tafatsoaka anefa ny lehilahy iray, ka tonga nilaza an’izany tamin’i Abrama Hebreo. Nitoby* tao amin’ilay faritra nisy an’ireo hazoben’i Mamre Amorita+ i Abrama tamin’izay. Rahalahin’i Eskola sy Anera+ io Mamre io, ary efa nifanaraka ireo lehilahy ireo sy Abrama hoe hifanampy. 14 Dia henon’i Abrama hoe lasa babo ilay havany.*+ Nangoniny àry ireo lehilahy voaofana hiady, dia ny mpanompony 318 izay teraka tao aminy. Dia nenjehin’izy ireo hatrany Dana+ ireny mpanjaka ireny. 15 Nozarazarainy ny mpanompony nandritra ny alina, dia nanafika izy ireo ka nandresy. Dia nenjehiny hatrany Hoba, tany avaratr’i Damaskosy, ny fahavalony. 16 Dia azony indray i Lota havany, ny fananan’i Lota, ny vehivavy, ary ny olon-kafa.
17 Dia niverina i Abrama rehefa avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy. Tamin’izay ny mpanjakan’i Sodoma dia nivoaka hitsena an’i Abrama teo amin’ny Lohasahan’i* Save, izany hoe ny Lohasahan’ny Mpanjaka.+ 18 Nitsena azy koa i Melkizedeka,+ mpanjakan’i Salema,+ sady nitondra mofo sy divay. Mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra io Melkizedeka io.+
19 Dia nitso-drano azy izy hoe:
“Enga anie i Abrama hotahin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra,
Dia ilay Mpanao ny lanitra sy ny tany!
20 Ary hoderaina anie ilay Andriamanitra Avo Indrindra,
Ilay nanolotra ny mpampijaly anao teo am-pelatananao!”
Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zava-drehetra azony.+
21 Hoy ny mpanjakan’i Sodoma tamin’i Abrama, taorian’izay: “Omeo ahy ny olona, fa ny fananana alaivo ho anao.” 22 Hoy anefa i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sodoma: “Manangan-tanana aho sady mianiana amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Mpanao ny lanitra sy ny tany, 23 fa tsy haka na inona na inona amin’ny fanananao aho na dia kofehy iray na tadin-kapa iray aza. Sao mantsy ianao hilaza hoe: ‘Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.’ 24 Tsy mila na inona na inona aho, afa-tsy izay efa nohanin’ireo tovolahy niaraka tamiko ireo ihany. Fa ny anjaran’izay niaraka tamiko,—i Anera sy Eskola ary Mamre+—dia aleo izy ireo ihany no haka azy.”