Fitomaniana
א [Alefa]
3 Izaho ilay lehilahy nahita ny fahorian’ny olona noho ny tsorakazon’ny fahatezerany.
2 Noroahiny aho ary asainy mandeha ao anaty haizina, fa tsy ao amin’ny mazava.+
3 Tena asian’ny tanany foana aho tontolo andro.+
ב [Beta]
4 Nataony mihalany ny nofoko sy ny hoditro.
Notapatapahiny ny taolako.
5 Nataony fahirano aho; poizina mangidy+ sy fahoriana no nataony manodidina ahy.
6 Notereny hipetraka tao amin’ny toerana maizina aho, toy ny olona maty efa ela.
ג [Gimela]
7 Nofefeny ny manodidina ahy mba tsy ho afaka hitsoaka aho.
Nofatorany tamin’ny gadra varahina+ mavesatra aho.
8 Ary tsy mety mihaino* ny vavaka ataoko izy rehefa mitalaho miantso vonjy aho.+
ד [Daleta]
10 Toy ny orsa miafina mba hanafika ahy izy, ary toy ny liona mamitsaka mba hamely.+
12 Nataony vonona hitifirana* ny tsipìkany, ary atsangany aho mba hokendreny amin’ny zana-tsipìka.
ה [He]
13 Notsatohany tamin’ny zana-tsipìka avy tao amin’ny tranon-jana-tsipìkany ny voako.
14 Lasa nataon’ny olona rehetra fihomehezana aho, sady nataony hirahira tontolo andro.
15 Novokisany zavatra mangidy aho, ary nosesefany zavamaniry mangidy be.+
ו [Vao]
17 Ataonao tsy mahita fiadanana aho; tsy tsaroako intsony izay tsara,
18 Ka hoy aho: “Nanjavona ny voninahitro sy izay nantenaiko tamin’i Jehovah.”
ז [Zaina]
19 Tsarovy fa mijaly sy tsy manan-kialofana+ aho, ary mihinana zavamaniry mangidy be sy poizina mangidy.+
20 Hahatsiaro izany tokoa ianao ka hiondrika hanampy ahy.+
21 Tsaroako ato am-poko izany, ka vonona hiandry aho.+
ח [Heta]
22 Noho i Jehovah tia antsika sy tsy mivadika amintsika no tsy maharipaka antsika,+
Satria tsy mety lany mihitsy ny famindram-pony.+
23 Vaovao isa-maraina izany.+ Mendri-pitokisana foana ianao.+
24 Hoy aho: “I Jehovah no anjarako,+ ka vonona hiandry azy aho.”+
ט [Teta]
25 Tsara i Jehovah amin’izay manantena azy,+ dia amin’izay olona mitady azy foana.+
26 Tsara ny miandry amim-panginana*+ ny famonjen’i Jehovah.+
27 Tsara ho an’ny olona ny mizaka ny mafy* mandritra ny fahatanorany.+
י [Yôda]
28 Aoka izy hipetraka irery sy hangina, rehefa vesaran’Andriamanitra an’izany.+
29 Aoka izy hanohoka ny vavany amin’ny vovoka;+ angamba mba hisy fanantenana ihany.+
30 Aoka izy hanolotra ny takolany amin’izay mamely azy; aoka izy hambanina tanteraka.
כ [Kafa]
31 Fa tsy hanary antsika mandrakizay i Jehovah.+
32 Na dia nahatonga fahoriana aza izy, dia hamindra fo koa satria be fitiavana sy tsy mivadika.+
33 Fa tsy sitraky ny fony ny mampahory na manao izay hampalahelo ny zanak’olombelona.+
ל [Lameda]
34 Ny manosihosy ny voafonja rehetra eto an-tany,+
35 Sy ny tsy manome rariny ny olona eo anatrehan’ny Avo Indrindra,+
36 Ary ny mamadika ny rariny eny amin’ny fitsarana,
Dia samy tsy andeferan’i Jehovah.
מ [Mema]
37 Iza àry no afaka milaza sy manatanteraka zavatra, raha tsy i Jehovah no manome didy hanatanterahana an’izany?
38 Tsy miara-mivoaka amin’ny vavan’ny Avo Indrindra
Ny ratsy sy ny tsara.
39 Nahoana moa ny olombelona no tokony hitaraina noho ny vokatry ny fahotany?+
נ [Nona]
40 Aoka isika handinika sy hamakafaka an’izay ataontsika,+ ka hiverina amin’i Jehovah.+
41 Andao hasandratsika amin’Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika,+ ka hiteny isika hoe:
42 “Efa nandika lalàna sy nikomy izahay,+ ary ianao tsy namela ny helokay.+
ס [Sameka]
43 Tezitra ianao dia nosakananao tsy hanatona anao izahay.+
Nanenjika anay sy namono anay tsy nisy indrafo ianao.+
44 Nataonao sakana tsy ahafahana manatona anao ny rahona, mba tsy ho tonga any aminao ny vavaka ataonay.+
45 Ataonao zavatra fanary sy fako eo amin’ireo firenena izahay.”
פ [Pe]
46 Manoka-bava maneso anay ny fahavalonay rehetra.+
47 Horohoro sy fandrika no anjaranay,+ ary potika sy rava+ izahay.
48 Misy rano mikoriana avy amin’ny masoko, satria voa mafy ny zanakavavin’ny fireneko.+
ע [Aina]
51 Nalahelo aho nahita an’izay nanjo an’ireo ankizivavy rehetra ao an-tanànako.+
צ [Tsade]
52 Nihaza ahy tsy amin’antony, toy ny mihaza vorona, ny fahavaloko.
53 Nanapitra ny aiko tao anaty lavaka izy ireo; nitora-bato ahy foana izy ireo.
54 Nandifotra ny lohako ny rano, ka hoy aho: “Vita ny amiko!”
ק [Kôfa]
55 Jehovah ô, niantso ny anaranao avy tao anaty lavaka lalina+ aho.
56 Henoy ny feoko. Aza manampin-tsofina rehefa miantso vonjy aho sy rehefa mangataka anao hanamaivana ahy.
57 Nanatona ianao tamin’ilay andro niantsoako anao, ka niteny hoe: “Aza matahotra.”
ר [Resa]
58 Niaro ahy teo amin’ny fitsarana ianao, Jehovah ô! Navotanao ny aiko.+
59 Hitanao ny ratsy natao tamiko, Jehovah ô! Mba omeo rariny aho.+
60 Hitanao daholo ny valifatiny, dia ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy.
ש [Sina] na [Shina]
61 Jehovah ô, efa renao ny esoeson’izy ireo sy ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy,+
62 Ary ny tenin’ireo mpanohitra ahy, sy ny bitsibitsika ataony tontolo andro mba hamelezana ahy.
63 Jereo ry zareo! Manao hira manesoeso ahy izy ireo, na mipetraka na mitsangana.
ת [Tao]
64 Hamaly azy araka izay nataony ianao, Jehovah ô!
65 Hataonao lasa mafy fo izy ireo, ary izany no ozona ataonao amin’izy ireo.
66 Henjehinao amin-katezerana izy ireo, Jehovah ô, ka haripakao tsy ho etỳ ambanin’ny lanitrao.