Levitikosy
18 Ary mbola niteny tamin’i Mosesy i Jehovah hoe: 2 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+ 3 Aza manao toy ny ataon’ny olona any Ejipta, izay nipetrahanareo. Ary aza manao toy ny ataon’ny olona any amin’ny tany Kanana, izay hitondrako anareo.+ Aza manaraka ny fanaony. 4 Ny didim-pitsarako no tokony hampiharinareo, ary ny fitsipiko no tokony hankatoavinareo sy harahinareo.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 5 Ankatoavy ny fitsipiko sy ny didim-pitsarako. Izay olona mankatò an’ireny no ho velona amin’ny alalan’ireny.+ Izaho no Jehovah.
6 “‘Tsy tokony hisy aminareo hanatona ny havany akaiky mba hanao firaisana aminy.*+ Izaho no Jehovah. 7 Aza manao firaisana amin’ny rainao, ary aza manao firaisana amin’ny reninao. Reninao izy, ka aza manao firaisana aminy.
8 “‘Aza manao firaisana amin’ny vadin’ny rainao.+ Manala baraka ny rainao izany.*
9 “‘Aza manao firaisana amin’ny anabavinao, na zanaky ny rainao izy na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano izy na tsia.+
10 “‘Aza manao firaisana amin’ny zanakavavin’ny zanakao lahy na ny zanakavavin’ny zanakao vavy, fa manala baraka anao izany.*
11 “‘Aza manao firaisana amin’ny zanakavavin’ny vadin-drainao, izay taranaky ny rainao, satria anabavinao izy.
12 “‘Aza manao firaisana amin’ny anabavin-drainao, fa iray ra amin-drainao izy.+
13 “‘Aza manao firaisana amin’ny rahavavin-dreninao, fa iray ra amin-dreninao izy.
14 “‘Aza manala baraka* ny rahalahin-drainao ka manao firaisana amin’ny vadiny, fa nenitoanao izy.+
15 “‘Aza manao firaisana amin’ny vinantovavinao.+ Vadin’ny zanakao lahy izy, ka aza manao firaisana aminy.
16 “‘Aza manao firaisana amin’ny vadin’ny rahalahinao,+ fa manala baraka ny rahalahinao* izany.
17 “‘Aza manao firaisana amin’ny vehivavy sy ny zanany vavy.+ Ary aza maka ny zanakavavin’ny zanany lahy na ny zanakavavin’ny zanany vavy, mba hanaovanao firaisana. Havan’ilay vehivavy akaiky ireo. Fanao mamoafady* izany.
18 “‘Aza maka ny rahavavin’ny vadinao ho rafivaviny ka manao firaisana aminy,+ raha mbola velona ny vadinao.
19 “‘Aza manatona vehivavy mba hanao firaisana aminy, raha mbola maloto izy noho izy tonga fotoana.+
20 “‘Aza manao firaisana amin’ny vadin’olona,* ka handoto ny tenanao.+
21 “‘Aza misy atolotra* ho an’i Moleka ny taranakao.+ Aza zimbazimbaina hoatr’izany ny anaran’Andriamanitrao.+ Izaho no Jehovah.
22 “‘Aza manao firaisana amin’ny lehilahy toy ny fanaovana firaisana amin’ny vehivavy,+ fa zava-maharikoriko izany.
23 “‘Tsy tokony hisy lehilahy hanao firaisana amin’ny biby, ka handoto ny tenany amin’izany. Ary tsy tokony hisy vehivavy hanolo-tena hanao firaisana amin’ny biby.+ Tsy fanao voajanahary izany.
24 “‘Aza mandoto tena amin’izany zavatra izany mihitsy. Ireny zavatra rehetra ireny mantsy no nataon’ireo firenena ka lasa naloto izy ireo, dia ireo firenena izay horoahiko tsy ho eo anatrehanareo.+ 25 Koa maloto ilay tany, ka hosaziko noho ny fahadisoany, ary haloan’ilay tany ny mponina ao aminy.+ 26 Fa ankatoavy kosa ny fitsipiko sy ny didim-pitsarako.+ Tsy misy mahazo manao an’izany zava-maharikoriko rehetra izany, na ny teratany na ny vahiny monina eo aminareo.+ 27 Izany zava-maharikoriko rehetra izany mantsy no nataon’ireo nipetraka teo amin’ilay tany talohanareo,+ ka lasa maloto izao ilay tany. 28 Fa raha tsy mandoto an’ilay tany ianareo, dia tsy voatery handoa anareo ilay tany, tahaka ny nandoavany an’ireo firenena talohanareo. 29 Izay rehetra manao ny iray amin’ireo zava-maharikoriko ireo, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny. 30 Ary ataovy izay takiko aminareo, ka aza manao an’ireo fanao maharikoriko nataon’ny olona talohanareo,+ mba tsy handotoanareo tena amin’izany. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’”