Deoteronomia
23 “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah izay lehilahy novosirina ka notorotoroina ny vihiny, na izay nesorina ny filahiany.+
2 “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny zazasary.*+ Na hatramin’ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah.
3 “Tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah na ny Amonita na ny Moabita.+ Na hatramin’ny taranany fahafolo aza tsy misy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah mihitsy. 4 Tsy nanampy anareo mantsy izy ireo sady tsy nanome sakafo sy rano anareo, tamin’ianareo teny an-dalana avy tany Ejipta.+ Nokaramainy hanozona anareo koa i Balama zanak’i Beora, avy any Petora, any Mezopotamia.+ 5 Tsy nety nihaino an’i Balama anefa i Jehovah Andriamanitrao,+ fa novan’i Jehovah Andriamanitrao ho tsodrano ho anao ilay ozona,+ satria tia anao i Jehovah Andriamanitrao.+ 6 Tsy tokony hitady izay hahasoa an’ireny mihitsy ianao na hanao izay hiadanany, mandritra ny androm-piainanao.+
7 “Aza mankahala Edomita, satria rahalahinao izy.+
“Aza mankahala Ejipsianina, fa efa mba vahiny tany amin’ny taniny ihany ianao.+ 8 Mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah ny zafiafin’izy ireo.
9 “Mitandrema amin’izay zavatra mandoto anao,* rehefa mitoby hiady amin’ny fahavalonao ianao.+ 10 Raha misy lehilahy lasa maloto satria nivoaka tsirinaina tamin’ny alina,+ dia tokony hankany ivelan’ny toby izy, ary tsy tokony hiverina ao amin’ny toby. 11 Tokony hisasa amin’ny rano izy rehefa harivariva ny andro, ka mahazo miverina ao amin’ny toby indray rehefa milentika ny masoandro.+ 12 Tokony hisy toeram-pivoahana* azo ampiasaina eny ivelan’ny toby, ka any no tokony handehananao. 13 Tokony hisy hazo maranitra koa hoentinao miaraka amin’ny fitaovanao. Rehefa mipetraka mininginingina eny ivelany àry ianao dia tokony hangady lavaka amin’ilay hazo, dia avy eo totofy ny malotonao.* 14 Mandehandeha ao an-tobinao mantsy i Jehovah Andriamanitrao,+ mba hamonjy anao sy hanampy anao handresy ny fahavalonao. Tsy maintsy masina+ àry ny tobinao sao hahita zavatra tsy mendrika eo aminao izy, dia hiala eo ka tsy hiaraka aminao intsony.
15 “Tsy tokony hatolotrao amin’ny tompony ny mpanompo, raha mandositra avy any amin’ny tompony izy ka mankany aminao. 16 Mahazo mipetraka any amin’izay tiany izy, any amin’izay toerana fidiny hipetrahana ao amin’ny iray amin’ny tanànanao. Ary aza mampijaly azy.+
17 “Tsy misy mahazo manao mpivaro-tenan’ny tempoly,+ na ny zanakavavin’ny Israely na ny zanakalahin’ny Israely.+ 18 Aza entina ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao mba hanefana voady ny karaman’ny vehivavy mpivaro-tena na ny karaman’ny lehilahy mpivaro-tena,* satria samy maharikoriko an’i Jehovah Andriamanitrao izany.
19 “Aza maka tombony amin’ny rahalahinao+ rehefa mampindrana vola na sakafo na zavatra hafa mety ho azo akana tombony. 20 Azonao akana tombony anefa ny hafa firenena rehefa mampindrana azy ianao,+ fa ny rahalahinao kosa aza akana.+ Amin’izay dia hotahin’i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra ataonao eo amin’ilay tany halainao ho anao.+
21 “Raha mivoady amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao,+ dia aza miandry ela be vao manatanteraka an’ilay voady.+ Tena hotakin’i Jehovah Andriamanitrao aminao mantsy ny hanefanao an’ilay izy. Raha tsy manefa an’ilay izy ianao, dia ho fahotana ho anao izany.+ 22 Tsy ho meloka hoe nanota anefa ianao raha tsy mivoady.+ 23 Tokony hitana ny teninao ianao,+ ka tanteraho izay voady nolazainao, fa hoatran’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah Andriamanitrao ihany ilay izy.+
24 “Raha mankeny amin’ny tanimboalobok’olona ianao, dia mahazo mihinana voaloboka izay laninao,* nefa tsy tokony hitondra amin’ny harona.+
25 “Raha mankeny amin’ny sahan’olona misy varimbazaha ianao, dia mahazo mioty salohy masaka amin’ny tananao, fa tsy tokony hojinjainao amin’ny antsy fijinjana ny varimbazahan’olona.+