Ohabolana
21 Toy ny lakandrano eo an-tanan’i Jehovah ny fon’ny mpanjaka,+ ka aviliny hankany amin’izay itiavany azy.+
2 Heverin’ny olona ho mahitsy izay rehetra ataony,+ fa i Jehovah kosa no mandinika ny fo.+
3 Tian’i Jehovah mihoatra noho ny sorona ny fanaovana ny marina sy ny rariny.+
4 Fahotana+ daholo na ny maso miandranandrana na ny fo mirehareha,+ izay jiron’ny ratsy fanahy.
5 Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto,+ fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.+
6 Toy ny fofonaina mihelina ny harena azo amin’ny lainga.+ Izay te ho faty no mikatsaka izany.+
7 Ny fandrobana ataon’ny ratsy fanahy no haharingana azy,+ satria tsy mety manao ny rariny izy.+
8 Tsy mandeha amin’ny fahitsiana ny olona nania,+ fa mahitsy kosa ny ataon’ny olona madio.+
9 Aleo mitoetra eny an-joron’ny tafontrano,+ toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady.+
10 Maniry mafy zava-dratsy ny ratsy fanahy,+ ary na ny namany aza tsy ananany antra.+
11 Rehefa asaina mandoa sazy ny mpaniratsira dia ho hendry ny tanora fanahy,+ ary ny hendry hahazo fahalalana rehefa omena fanazavana.+
12 Dinihin’Ilay Marina ny ankohonan’ny ratsy fanahy,+ ka ataony mahita loza ny ratsy fanahy.+
13 Izay manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny mahantra,+ dia tsy hohenoina koa rehefa miantso.+
14 Mampitony fahatezerana ny fanomezana+ afenimpenina, ary mampitony fahavinirana ny kolikoly atao ao amin’ny mangingina.+
15 Mahafaly ny olo-marina ny manao ny rariny,+ fa zava-doza kosa no miandry ny mpanao ratsy.+
16 Izay olona miala amin’ny lalan’ny fahamalinana,+ dia ho any amin’ireo maty maro be tsy mahefa na inona na inona.+
17 Hahantra izay tia fahafinaretana,+ ary tsy hanan-karena izay tia divay sy menaka.+
18 Ny ratsy fanahy no anavotana ny olo-marina,+ ary hisolo toerana ny olo-mahitsy ny mpivadika.+
19 Aleo mitoetra any an-tany efitra toy izay miray trano amin’ny vehivavy tia ady sady mahasorena.+
20 Harena sarobidy sy menaka no ao an-tranon’ny hendry,+ fa ny tsisy saina kosa mandanilany ny azy.+
21 Izay mikatsaka fahamarinana+ sy hatsaram-panahy feno fitiavana dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.+
22 Ny hendry mananika ny tanànan’ny lehilahy mahery, mba handrodana ilay manda nitokisan’ilay tanàna.+
23 Miaro ny tenany tsy hahita fahoriana ny olona mitandrina ny teny aloaky ny vavany.+
24 Olona sahisahy ratsy sy mpirehareha mizahozaho no iantsoana an’izay sahisahy manao zavatra+ rehefa tezitra.
25 Ny fanirian’ny kamo no hahafaty azy, satria tsy mety miasa izy.+ 26 Manam-paniriana mafy izy tontolo andro, fa ny marina kosa manome sady tsy kahihitra.+
27 Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ny ratsy fanahy,+ mainka moa raha olona manana fitondran-tena baranahiny no manatitra izany.+
28 Ho faty ny vavolombelona mandainga,+ fa izay mihaino kosa hanan-kolazaina mandrakizay.+
29 Sahisahy ratsy ny ratsy fanahy,+ fa ny olo-mahitsy kosa hahatonga ny lalany ho azo antoka.+
30 Tsy misy fahendrena na fahaiza-manavaka na torohevitra mahatohitra an’i Jehovah.+
31 Voaomana ho amin’ny andro fiadiana ny soavaly,+ fa avy amin’i Jehovah kosa ny famonjena.+