Ohabolana
24 Aza mitsiriritra ny olon-dratsy,+ ary aza maniry mafy hiaraka aminy.+ 2 Fa fandrobana foana no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana foana no tenenin’ny vavany.+
3 Fahendrena no ilaina mba hanorenana ny trano,*+ ary fahaiza-manavaka no ilaina mba hahamafy orina azy.+ 4 Fahalalana no hahatonga ny efitrano anatiny ho feno ny zava-tsarobidy lafo vidy sy mahafinaritra rehetra.+
5 Izay mampiasa ny heriny amim-pahendrena no lehilahy matanjaka,+ ary ny olona manam-pahalalana dia mitombo hery.+ 6 Tari-dalana tsara no ilainao ho amin’ny ady,+ ary ahazoana famonjena ny fananana mpanolo-tsaina maro.+
7 Avo loatra amin’ny adala ny tena fahendrena,+ ary tsy hisoka-bava izy eo am-bavahady.
8 Izay mitetika ny hanao ratsy dia hatao hoe raindahin’ny mpamoron-kevi-dratsy.+
9 Ny fitondran-tena baranahiny vokatry ny hadalana dia ota,+ ary ny mpaniratsira dia maharikoriko ny olombelona.+
10 Kivy ve ianao amin’ny andro mahory?+ Raha izany, dia ho kely ny herinao.
11 Vonjeo izay entina hovonoina, ary enga anie ka havotanao+ izay mangozohozo entina haringana! 12 Raha hoy ianao: “Tsy nahafantatra an’izany izahay”,+ tsy hahafantatra an’izany koa ve ilay mandinika ny fo?+ Mahalala an’izany tokoa ilay mandinika tsara anao,+ ary hovaliany araka ny nataony avy ny olona.+
13 Mihinàna tantely, anaka, fa tsara izany, ary aoka ho tantely mamy no ho ao am-bavanao.+ 14 Ary fantaro koa ny fahendrena fa mahasoa anao izany.+ Raha mahazo izany ianao, dia hanana hoavy tsara, ary tsy ho foana ny fanantenanao.+
15 Aza manao toy ny ratsy fanahy izay miafina mba hanafika ny tranon’ny marina,+ ary aza robaina ny fonenany.+ 16 Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany,+ fa ny ratsy fanahy kosa ho solafaka noho ny loza manjo azy.+
17 Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao, ary aoka tsy ho ravoravo ny fonao raha solafaka izy,+ 18 sao ho hitan’i Jehovah izany ka ho ratsy eo imasony ary tsy ho tezitra aminy intsony Izy.+
19 Aza tezitra amin’ny mpanao ratsy, ary aza mitsiriritra ny ratsy fanahy.+ 20 Fa tsy hanana hoavy tsara ny olon-dratsy,+ ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.+
21 Matahora an’i Jehovah sy ny mpanjaka,+ anaka. Aza miaraka amin’izay te hitondra fanovana.+ 22 Fa ho tonga tampoka ny loza hanjo azy,+ ka iza no hahatsikaritra ny nandringanana azy rehetra?+
23 Natao ho an’ny hendry+ koa izao teny izao: Tsy tsara ny miangatra rehefa mitsara.+
24 Izay milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: “Marina ianao”,+ dia hozonin’ny vahoaka, ary homelohin’ny firenena. 25 Fa hahazo sitraka kosa ireo manitsy ny ratsy fanahy,+ ka zava-tsoa no fitahiana ho azon’izy ireo.+ 26 Izay mamaly tsy miolakolaka dia hanoroka olona eo amin’ny molony.+
27 Karakarao ny asanao eny ivelany, ary ataovy vonona ny eny an-tsaha.+ Avy eo, dia karakarao koa izay ilain’ny ankohonanao.
28 Aza mety ho vavolombelona hiampanga olona tsy amin’antony,+ fa miteny toy ny adala ianao raha manao izany.+ 29 Aza manao hoe: “Izay nataony tamiko no hataoko aminy.+ Hovaliako araka ny nataony avy ny tsirairay.”+
30 Nandalo teo amin’ny sahan’ny kamo+ sy teo amin’ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina+ aho. 31 Ary hitako fa feno ahidratsy+ sy rakotra tsilo* izany, sady nirodana ny tamboho vato nanodidina azy.+
32 Dia nandinika an’izay hitako teo aho, ka nandray am-po izany,+ ary izao no lesona notsoahako:+ 33 Raha mbola matory kely ianao, sy mbola rendremana kely, ary mbola mamoritra tanana mba hatory kely,+ 34 dia ho avy tampoka sahala amin’ny jiolahy ny fahantranao, ary ho sahala amin’ny lehilahy mirongo fiadiana ny tsy fahampiana hanjo anao.+