1 Petera
1 Petera, apostolin’i+ Jesosy Kristy.
Ho an’ny mpivahiny+ miely+ any Ponto, Galatia, Kapadokia,+ Azia, ary Bitynia, dia ianareo voafidy+ 2 araka ny efa fantatr’Andriamanitra Ray mialoha,+ sy noho ny fanamasinan’ny fanahy,+ eny, voafidy mba hankatò sy hofafazana+ ny ran’i Jesosy Kristy.+
Hampitomboina anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana ho azonareo!+
3 Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika,+ satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray+ ho amin’ny fanantenana velona+ isika, tamin’ny nananganana+ an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, 4 eny, naterany indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra,+ izay voatahiry any an-danitra ho anareo.+ 5 Arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana ianareo,+ ho amin’ny famonjena+ izay efa vonona haharihary+ amin’ny fotoana farany.+ 6 Izany no iravoravoanareo fatratra, na dia tsy maintsy ampalahelovina vetivety amin’ny fitsapana+ maro samihafa aza ianareo ankehitriny. 7 Amin’izay ny finoanareo vita sedra,+ dia ho hita fa hitondra fiderana sy voninahitra ary haja, rehefa haharihary+ i Jesosy Kristy. Ny finoana vita sedra tokoa mantsy dia sarobidy lavitra noho ny volamena, izay mety simba na dia voasedra tamin’ny afo+ aza. 8 Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo.+ Ary na tsy hitanareo aza izy ankehitriny, dia mino azy ianareo, sady miravoravo fatratra amin’ny fifaliam-be tsy hay lazaina, 9 satria azonareo ilay vokatry ny finoanareo, dia ny famonjena anareo.+
10 Momba izany famonjena izany indrindra no nanaovan’ny mpaminany famotopotorana tsara sy fikarohana lalina.+ Naminany+ momba ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa voatokana ho anareo+ izy ireny. 11 Nanadihady hatrany izy ireny hoe rahoviana+ na hanao ahoana ny fotoana voatondro momba an’i Kristy,+ araka izay notondroin’ny fanahy masina+ tao amin’izy ireny, rehefa nambaran’io fanahy io mialoha ny fijalian’i Kristy+ sy ny voninahitra+ aorian’izany. 12 Naharihary tamin’izy ireny fa tsy ho an’ny tenany+ ny fanompoana nataony, fa ho anareo kosa, ka nomeny anareo ireo zavatra ambara ankehitriny, izay nambaran’ireo+ nitory ny vaovao tsara taminareo tamin’ny alalan’ny fanahy masina+ nalefa avy any an-danitra. Ireny zavatra ireny indrindra no tena tian’ny anjely hodinihina tsara.+
13 Koa hatanjaho hiatrika asa ny sainareo,+ ary aoka ianareo hisaina tsara foana.+ Aoka koa ianareo hanantena ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ izay hoentina ho anareo rehefa haharihary+ i Jesosy Kristy. 14 Zanaka mankatò ianareo, ka aza manaiky intsony hotarihin’ny+ fanirianareo taloha tamin’ny tsy fahalalanareo. 15 Masina ilay niantso anareo, ka aoka ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra,+ 16 fa voasoratra hoe: “Aoka ho masina ianareo, satria masina aho.”+
17 Mpitsara tsy miangatra+ ny Ray ary mitsara ny tsirairay araka ny asany avy. Koa raha izy no antsoinareo, dia aoka ianareo hitondra tena amin-tahotra+ mandritra ny andro fivahinianareo.+ 18 Fantatrareo mantsy fa tsy tamin’ny zavatra mety simba,+ na tamin’ny volafotsy na ny volamena, no nanafahana+ anareo tamin’ny fitondran-tena tsy mitera-boka-tsoa izay azonareo tamin’ny fampianarana nentin-drazana, 19 fa tamin’ny ra+ sarobidy kosa, tahaka ny ran’ny zanak’ondry tsy misy tsiny sy tsy misy pentina,+ dia ny ran’i Kristy mihitsy.+ 20 Marina fa efa fantatra mialoha i Kristy, talohan’ny nanorenana+ izao tontolo izao. Naseho anefa izy tamin’izao fotoana farany izao, noho ianareo.+ 21 Tamin’ny alalany no nahatongavanareo ho mpino an’Andriamanitra,+ dia ilay nanangana azy tamin’ny maty+ sy nanome voninahitra+ azy, mba hinoanareo sy hanantenanareo an’Andriamanitra.+
22 Nanadio+ ny fiainanareo* ianareo rehefa nankatò ny fahamarinana, ka ny vokatr’izany, dia fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy,+ ary koa fifankatiavana fatratra amin’ny fo.+ 23 Nateraka indray+ mantsy ianareo, tsy tamin’ny voa+ mety lo,+ fa tamin’ny tsy mety lo,+ dia tamin’ny alalan’ny tenin’ilay+ Andriamanitra velona sady maharitra.+ 24 Fa “tahaka ny ahitra ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin’ny ahitra ny voninahiny rehetra.+ Malazo ny ahitra, ary mihintsana ny voniny,+ 25 fa ny tenin’i Jehovah kosa maharitra mandrakizay.”+ Izany ilay “teny”+ nambara+ ho vaovao tsara taminareo.