Josoa
8 Dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Aza matahotra na mihorohoro.+ Ento miaraka aminao ny lehilahy mpiady rehetra ka miakara hiady amin’i Ay. Fa hataoko resinao ny mpanjakan’i Ay, sy ny vahoakany, sy ny tanànany, ary ny taniny.+ 2 Ataovy amin’i Ay sy ny mpanjakany izay nataonao tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany.+ Azonareo alaina ho anareo anefa ny fananany sy ny biby fiompiny. Ary asio lehilahy miafina any ambadiky ny tanàna, mba hanafika azy.”
3 Dia niakatra hanafika an’i Ay i Josoa sy ny lehilahy mpiady rehetra. Ary nifidy miaramila matanjaka 30 000 i Josoa, ka nandefa azy ireo rehefa alina ny andro. 4 Dia izao no baiko nomeny azy ireo: “Miafena any ambadiky ny tanàna ianareo mba hanafika azy. Aza miala lavitra loatra an’ilay tanàna anefa, ary samia vonombonona daholo. 5 Izaho sy ny olona rehetra miaraka amiko kosa hankeny akaikin’ny tanàna. Ary handositra izahay rehefa mivoaka hiady aminay hoatran’ny teo aloha ry zareo.+ 6 Rehefa mivoaka hanenjika anay ry zareo, dia hotarihinay hanalavitra ny tanàna. Amin’izay ry zareo hieritreritra hoe: ‘Mandositra antsika hoatran’ny teo aloha ihany ry zareo.’+ Dia handositra an-dry zareo izahay. 7 Hivoaka avy ao amin’izay iafenanareo ianareo avy eo, ka haka an’ilay tanàna. Dia hataon’i Jehovah Andriamanitrareo resinareo izy io. 8 Raha vao azonareo ilay tanàna, dia dory.+ Araho ny tenin’i Jehovah. Izany no baiko omeko anareo.”
9 Dia nalefan’i Josoa izy ireo, ka nankany amin’ilay toerana hiafenana. Ary nitoby teo anelanelan’i Betela sy Ay, teo andrefan’i Ay, izy ireo. I Josoa kosa niaraka tamin’ny vahoaka, tamin’iny alina iny.
10 Nifoha maraina i Josoa ny ampitson’iny, ary nangoniny ny miaramilany. Dia nitarika azy ireo nankany Ay izy sy ny anti-panahin’ny Israely. 11 Dia nandeha niakatra ny lehilahy mpiady rehetra+ niaraka taminy, ka nanandrify an’ilay tanàna. Nitoby teo avaratr’i Ay izy ireo, ary lohasaha no nanelanelana azy ireo sy Ay. 12 Efa nisy lehilahy 5 000 teo ho eo tamin’izay nasain’i Josoa niafina+ teo anelanelan’i Betela+ sy Ay, teo andrefan’ilay tanàna. 13 Dia nitoby teo avaratry ny tanàna ny ampahany lehibe indrindra tamin’ilay tafika,+ ary teo andrefan’ny tanàna kosa ireo miaramila niafina.+ Ary nankeo afovoan’ilay lohasaha* i Josoa tamin’iny alina iny.
14 Raha vao hitan’ny mpanjakan’i Ay izany, dia nivoaka haingana vao maraina izy sy ny lehilahy tao an-tanàna, mba hiady tamin’ny Israely teny amin’ny toerana iray ahatazanana ny lemaka karakaina. Tsy fantany anefa fa efa nisy niafina mba hanafika azy tany ambadiky ny tanàna. 15 Rehefa nanafika ny olona tao Ay, dia nandositra tany amin’ny lalana mankany an-tany efitra i Josoa sy ny Israely rehetra.+ 16 Dia nantsoina daholo ny olona tao an-tanàna mba hanenjika an-dry zareo. Nanenjika an-dry Josoa izy ireo ka voatarika lavitra ny tanàna. 17 Tsy nisy lehilahy tavela tao Ay sy Betela, fa nivoaka nanenjika ny Israely daholo. Navelany tsy nisy mpiaro ilay tanàna, fa lasa nanenjika ny Israely izy ireo.
18 Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Tondroy amin’iny lefom-pohy eny an-tananao iny i Ay,+ fa hataoko resinao izy.”+ Dia notondroin’i Josoa tamin’ilay lefom-pohy teny an-tanany ilay tanàna. 19 Raha vao nanatsotra ny tanany i Josoa, dia nivoaka haingana avy tao amin’ny toerana niafenany ireo miaramila, ka nihazakazaka nankao amin’ilay tanàna ary naka azy io. Tonga dia nodoran’izy ireo ilay tanàna.+
20 Rehefa nitodika ireo lehilahy nivoaka avy tao Ay, dia hitany fa niakatra teny amin’ny lanitra ny setroky ny tanàna. Tsy nanana hery nandosirana na taiza na taiza àry izy ireo. Dia niverina hamely an’ireo nanenjika azy ny Israely izay nandositra nankany an-tany efitra. 21 Rehefa tazan’i Josoa sy ny Israely rehetra fa efa azon’ireo miaramila niafina ilay tanàna, ary efa niakatra ny setroky ny tanàna, dia niverina izy ireo ka nanafika an’ireo lehilahy avy tao Ay. 22 Nivoaka hiady tamin’ireo lehilahy avy tao Ay koa ny Israelita naka an’ilay tanàna. Latsaka afovoany àry ireo lehilahy ireo, satria nisy Israelita teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Dia naripaky ny Israelita izy ireo, ka tsy nisy niangana na iray aza, ary tsy nisy afa-nandositra.+ 23 Ny mpanjakan’i Ay+ kosa nataony sambo-belona, dia nentiny tany amin’i Josoa.
24 Novonoin’ny Israely daholo ny mponina avy tao Ay, izay nanenjika azy ireo tany an-tany efitra, ka nataony tsy nisy niangana fa nasiany tamin’ny sabatra. Niverina tao Ay ny Israely rehetra avy eo, ka namely azy io tamin’ny sabatra. 25 Lehilahy sy vehivavy 12 000 no maty tamin’iny andro iny, izany hoe ny olona rehetra tao Ay. 26 Ary tsy nampidinin’i Josoa mihitsy ilay tanany nitazona an’ilay lefom-pohy,+ mandra-pandringany tanteraka ny mponina rehetra tao Ay.+ 27 Nalain’ny Israely ho azy ireo kosa ny biby fiompy sy ny fananan’ny olona tao amin’ilay tanàna, araka ny baiko nomen’i Jehovah an’i Josoa.+
28 Dia nodoran’i Josoa i Ay ka korontam-bato mivangongo sisa tavela,+ ary mbola hoatr’izany izy hatramin’izao. 29 Ny mpanjakan’i Ay kosa nahantony tamin’ny tsato-kazo,* mandra-paharivan’ny andro. Rehefa hilentika ny masoandro, dia nasain’i Josoa nampidinina avy teo amin’ilay tsato-kazo ny fatiny.+ Dia natsipy teo amin’ny vavahady fidirana amin’ilay tanàna ny fatiny, ary nasiana vato be dia be mivangongo teo amboniny. Mbola ao izany hatramin’izao.
30 Tamin’izay i Josoa no nanorina alitara ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, teo amin’ny Tendrombohitra Ebala.+ 31 Izao mantsy no didy nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah an’ireo Israelita, sady voasoratra ao amin’ny boky misy ny Lalàn’i Mosesy:+ “Manaova alitara vita amin’ny vato tsy voapaika, izay tsy nampiasana fitaovana vy.”+ Dia nanolotra fanatitra dorana ho an’i Jehovah sy sorona iombonana teo ambonin’ilay alitara izy ireo.+
32 Dia nadikan’i Josoa tamin’ny vato teo koa ny Lalàna+ nosoratan’i Mosesy teo anatrehan’ny Israelita.+ 33 Ary ny Israely rehetra, sy ny anti-panahy, sy ny mpifehy, ary ny mpitsara teo aminy, dia nitsangana teo amin’ny andaniny sy ankilany amin’ny Vata, teo anoloan’ny Levita mpisorona izay nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. Teo koa na ny vahiny na ny teratany.+ Nitsangana teo anoloan’ny Tendrombohitra Gerizima ny antsasak’izy ireo, ary teo anoloan’ny Tendrombohitra Ebala+ ny antsasany, araka izay efa nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah,+ mba hilaza an’izay fitahiana ho azon’ny vahoakan’Israely. 34 Avy eo i Josoa dia namaky mafy an’izay rehetra voalazan’ny Lalàna,+ dia ny fitahiana+ sy ny ozona,+ araka izay rehetra voasoratra tao amin’ny boky misy ny Lalàna. 35 Tsy nisy tsy novakiny mafy na iray aza ny teny nandidian’i Mosesy, fa novakiny daholo teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo,+ anisan’izany ny vehivavy sy ny ankizy ary ny hafa firenena+ niara-nipetraka* tamin’izy ireo.+