Daniela
4 “Izao no tenin’i Nebokadnezara Mpanjaka ho an’ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra eran-tany: Hitombo be anie ny fiadananareo! 2 Faly aho milaza aminareo ny famantarana sy ny zava-mahagaga nataon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra tamiko. 3 Lehibe tokoa ny famantarana nataony, ary tena miavaka ny zava-mahagaga nataony! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fitondrany haharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.+
4 “Izaho Nebokadnezara dia niadana be erỳ tato an-tranoko, sady nandeha tsara ny fiainako tato an-dapako. 5 Nanonofy aho, ary nampatahotra ahy ilay izy. Nampatahotra be ahy ny sary sy fahitana hitako tao an-tsaiko tao, tamin’izaho natory teo am-pandrianako.+ 6 Koa namoaka didy aho hoe hoentina eo anatrehako ny olon-kendry rehetra eto Babylona, mba hilaza amiko ny dikan’ilay nofy.+
7 “Dia nankao amiko ny mpisorona mpanao sikidy, ny mpila hevitra amin’ny maty, ny Kaldeanina,* ary ny mpanandro.+ Tsy nahavita nilaza tamiko ny dikan’ilay nofy anefa izy ireo, rehefa nolazaiko taminy ilay nofy.+ 8 Farany, dia nankao amiko i Daniela, ilay atao hoe Beltesazara+ araka ny anaran’ny andriamanitro.+ Ary miasa aminy ny fanahin’ireo andriamanitra masina.+ Dia nolazaiko taminy ilay nofy hoe:
9 “‘Ry Beltesazara lehiben’ny mpisorona mpanao sikidy ô!+ Fantatro tsara fa miasa aminao ny fanahin’ireo andriamanitra masina,+ ka tsy misy zava-miafina tsy hainao hazavaina.+ Hazavao amiko àry ny fahitana hitako tao amin’ny nofy, dia lazao amiko ny dikany.
10 “‘Tao amin’ny fahitana hitako tamin’izaho tao am-pandrianako, dia nahita hazo+ anankiray teo afovoan’ny tany aho. Avo be mihitsy ilay izy.+ 11 Nitombo ilay hazo, ary lasa matanjaka be. Nanakatra ny lanitra ny tendrony, ka tazana hatrany amin’ny faran’ny tany ilay izy. 12 Tsara tarehy ny raviny, betsaka ny voany, ary nisy sakafo ho an’ny rehetra teo aminy. Nialokaloka teo ambaniny koa ny bibidia, dia nipetraka teny amin’ny sampany ny voro-manidina, ary nahazo sakafo avy taminy ny zavaboary* rehetra.
13 “‘Ary raha mbola nijery an’ireo fahitana ireo aho tamin’izaho tao am-pandrianako, dia nahita mpiambina anankiray, iraka masina nidina avy any an-danitra.+ 14 Niantsoantso mafy izy hoe: “Kapao io hazo io,+ tapaho ny sampany, ahintsano ny raviny, ary aparitaho ny voany! Dia handositra hiala eo ambaniny ny bibidia, ary hiala eny amin’ny sampany ny vorona. 15 Avelao eo amin’ny tany, eo amin’ny ahitra any an-tsaha, anefa ny fotony sy ny fakany, ka gejao amin’ny vy sy varahina. Dia avelao ho lenan’ny andon’ny lanitra ny fotony, ka hiaraka amin’ny bibidia eny amin’ny ahitra amin’ny tany.+ 16 Aleo hovana ho fom-biby ny fony mba tsy ho fon’olombelona intsony. Ary aleo holanina aminy+ ny fe-potoana fito.+ 17 Izany no didy nolazain’ny mpiambina,+ sy didim-pitsarana nolazain’ireo masina, mba ho fantatry ny velona fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona,+ ka izay tiany homena fitondrana no omeny an’izany, na dia ny ambany indrindra amin’ny olombelona aza.”
18 “‘Izany no hitako tao amin’ny nofiko, izaho Nebokadnezara Mpanjaka. Koa hazavao ny dikan’ilay nofy, ry Beltesazara ô, satria tsy misy mahavita milaza an’izany amiko ny olon-kendry hafa rehetra eto amin’ny fanjakako.+ Fa ianao kosa no mahavita an’izany, satria miasa aminao ny fanahin’ireo andriamanitra masina.’
19 “Tamin’izay dia ankona tsy nahateny vetivety i Daniela, ilay atao hoe Beltesazara,+ ary lasa nampatahotra azy ny eritreriny.
“Dia hoy ny mpanjaka: ‘Aza atao mampatahotra anao ilay nofy sy ny dikany, ry Beltesazara ô!’
“Ary hoy i Beltesazara: ‘Enga anie hihatra amin’izay mankahala anao ilay nofy, tompoko ô, ary enga anie ho tanteraka amin’ny fahavalonao ny dikan’ilay nofy!
20 “‘Ilay hazo hitanao nitombo be sy lasa matanjaka ary nanakatra ny lanitra ny tendrony ka tazana nanerana ny tany,+ 21 sady nisy raviny tsara tarehy sy voany be dia be ary nisy sakafo ho an’ny rehetra, sady nipetrahan’ny bibidia teo ambaniny, ary nipetrahan’ny voro-manidina teny amin’ny sampany,+ 22 dia ianao izany, ry mpanjaka ô. Lasa lehibe sy natanjaka mantsy ianao, ary nitombo be nanakatra ny lanitra ny voninahitrao.+ Tonga hatrany amin’ny faran’ny tany koa ny fanjakanao.+
23 “‘Nahita mpiambina ianao, ry mpanjaka ô, dia iraka masina+ iray nidina avy any an-danitra, nilaza hoe: “Kapao io hazo io dia poteho, nefa avelao eo amin’ny tany, eo amin’ny ahitra any an-tsaha, ny fotony sy ny fakany ka gejao amin’ny vy sy varahina. Dia avelao ho lenan’ny andon’ny lanitra ny fotony ka hiaraka amin’ny bibidia, mandra-pahatapitry ny fe-potoana fito.”+ 24 Izao no dikany, ry mpanjaka ô, ary izany no didin’ilay Avo Indrindra tsy maintsy hihatra amin’ny mpanjaka tompoko: 25 Horoahina hiala amin’ny olona ianao, ka hiara-mipetraka amin’ny bibidia. Homena ahitra ianao dia hihinana ahitra hoatran’ny omby, ary ho lenan’ny andon’ny lanitra.+ Ary havela holanina aminao+ ny fe-potoana fito,+ mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an’izany.+
26 “‘Nasaina navela anefa ny fototr’ilay hazo sy ny fakany,+ ka midika izany fa haverina aminao indray ny fanjakanao rehefa fantatrao fa ny lanitra no mitondra. 27 Koa mba ekeo re ny torohevitro, ry mpanjaka ô! Aza manota intsony fa manaova ny tsara. Dia aza manao ratsy intsony fa iantrao ny mahantra, amin’izay angamba mba haharitra kokoa ny fiadananao.’”+
28 Nihatra tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka daholo izany rehetra izany.
29 Roa ambin’ny folo volana taorian’izay, dia nandehandeha teny amin’ny tafon’ny lapam-panjakan’i Babylona ny mpanjaka. 30 Ary hoy izy: “Tsy ity ve no Babylona Lehibe, ilay naoriko tamin’ny tanjaky ny heriko mba ho lasa lapam-panjakana sy hahazoako voninahitra lehibe?”
31 Raha mbola niteny an’izany ny mpanjaka, dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: “Izao no lazaina aminao, ry Nebokadnezara Mpanjaka ô: ‘Nesorina taminao ny fanjakana,+ 32 ary horoahina hiala amin’ny olombelona ianao. Hiara-mipetraka amin’ny bibidia ianao, ary homena ahitra dia hihinana ahitra hoatran’ny omby. Havela holanina aminao ny fe-potoana fito mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena fitondrana no omeny an’izany.’”+
33 Tamin’izay indrindra no tanteraka tamin’i Nebokadnezara izany teny izany. Dia noroahina niala tamin’ny olombelona izy, ary nanomboka nihinana ahitra hoatran’ny omby. Lenan’ny andon’ny lanitra ny vatany, ka lasa naniry lava be toy ny volon’ny voromahery ny volony, ary lava be toy ny hohon’ny vorona ny hohony.+
34 “Rehefa tapitra izany fotoana izany,+ dia nijery ny lanitra izaho Nebokadnezara, ary niverina indray ny saiko. Dia nidera an’ilay Avo Indrindra aho, sady nidera sy nanome voninahitra an’Ilay velona mandrakizay. Fitondrana mandrakizay mantsy ny fitondrany, ary haharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny fanjakany.+ 35 Tsinontsinona ny mponina rehetra eto an-tany, raha ampitahaina aminy. Manao izay sitrapony rehetra izy, eo amin’ny tafiky ny lanitra sy ny mponina eto an-tany. Tsy misy mahasakana azy,*+ na afaka miteny aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’+
36 “Tamin’izay indrindra no nody indray ny saiko, dia lasa mpanjaka ambony sady be voninahitra indray aho.+ Nitady ahy mafy ny manam-pahefana sy ny olona ambony, ka naverina teo amin’ny fanjakako indray aho, ary vao mainka nahazo voninahitra.
37 “Koa midera sy manandratra ary mankalaza an’ilay Mpanjakan’ny lanitra+ izaho Nebokadnezara, satria tsara sy ara-drariny daholo ny zavatra ataony,+ ary vitany ny mampietry an’izay manambony tena.”+