Petera Voalohany
5 Koa satria izaho anti-panahy koa, sy vavolombelona nahita ny fijalian’i Kristy sady anisan’ny hahazo an’ilay voninahitra efa haharihary,+ dia miangavy* an’ireo anti-panahy* eo aminareo aho hoe: 2 Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra+ eo ambany fiandraiketanareo, ka ataovy ny asan’ny mpiandraikitra.* Tsy an-tery anefa no tokony hanaovana an’izany, fa an-tsitrapo eo anatrehan’Andriamanitra,+ tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina,+ fa noho ny fahazotoana, 3 ary tsy ho mpanjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra,+ fa ho modely ho an’ny andian’ondry.+ 4 Dia hahazo satroboninahitra tsy mety malazo ianareo+ rehefa aseho ilay lehiben’ny mpiandry.+
5 Ary ianareo tanora koa, maneke ny zokiolona.*+ Fa ianareo rehetra kosa mitafia* fanetren-tena rehefa mifandray ianareo samy ianareo, satria manohitra ny manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy miavaka amin’ny manetry tena.+
6 Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony,+ 7 ary apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy* anareo,+ satria miahy* anareo izy.+ 8 Aoka ianareo hisaina tsara foana sy hiambina!+ Ny Devoly fahavalonareo mantsy mandehandeha hoatran’ny liona mierona, mitady olona harapaka.+ 9 Tohero anefa izy+ ka manàna finoana matanjaka, satria fantatrareo fa ampijalina toy izany koa ny rahalahinareo* rehetra, eran’izao tontolo izao.+ 10 Rehefa avy nijaly vetivety anefa ianareo, dia hamita ny fampiofanana anareo ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy miavaka rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay,+ noho ianareo tafaray amin’i Kristy. Hanampy anareo ho mafy orina izy,+ sady hanatanjaka anareo,+ ary hataony mifototra tsara ianareo. 11 Ho azy mandrakizay anie ny hery! Amena.
12 Nanoratra teny vitsivitsy ho anareo aho, tamin’ny alalan’i Silvano,*+ izay hitako hoe rahalahy mendri-pitokisana. Nanoratra aho mba hampaherezana anareo sy hanomezana toky anareo fa tena izy ilay hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra aminareo. Aza miala amin’izany hatsaram-panahiny izany mihitsy. 13 Mampamangy, hono, ianareo, hoy ilay eto Babylona, ilay voafidy hoatr’anareo. Mampamangy koa, hono, ianareo, hoy i Marka+ zanako. 14 Mifampiarahabà amin’ny oroka fanehoam-pitiavana.
Enga anie hahazo fiadanana ianareo rehetra tafaray amin’i Kristy!