Salamo
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
139 Jehovah ô, mandinika ahy amin’ny an-tsipiriany ianao, ka mahalala ahy.+
2 Ianao no mahalala ahy, na mipetraka aho na mitsangana.+
Fantarinao avy eny lavitra eny ny eritreritro.+
4 Fa mbola tsy manonona teny akory ny lelako,+
Dia efa fantatrao sahady ny tiako holazaina, Jehovah ô!+
5 Manao fahirano ahy avy ao andamosiko sy avy eo anoloako ianao,
Ary apetrakao eo amiko ny tananao.
8 Fa raha miakatra eny amin’ny lanitra aho, dia eny ianao.+
Ary raha mamelatra ny fandrianako ao amin’ny Fasana* aho, dia any koa ianao.+
9 Ary raha maka ny elatry+ ny maraina aho,
Mba honina any amin’ny ranomasina faran’izay lavitra,+
10 Dia mbola mitarika ahy ny tananao+ na any aza,
Ary mihazona ahy koa ny tananao ankavanana.+
11 Raha hoy aho: “Handrakotra ahy tampoka tokoa ny haizina!”,+
Dia ho lasa hazavana manodidina ahy ny alina.+
12 Na ny haizina aza tsy maizina loatra aminao.+
Fa hamirapiratra toy ny antoandro ny alina,+
Ka hoatran’ny hazavana ihany ny haizina.+
14 Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.+
Mahatalanjona ny asanao.+
Ary tena fantatro tsara izany.+
15 Tsy niafina taminao ny taolako,+
Tamin’izaho noforoninao tao amin’ny miafina,+
Sy notenominao tao amin’ny faritra lalina indrindra+ amin’ny tany.
16 Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.+
Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako
Sy ny andro hiforonan’ireny,+
Nefa mbola tsy nisy akory ireny, na iray aza.
18 Raha andramako isaina ireny, dia betsaka lavitra noho ny fasika.+
Mifoha aho, ary mbola eo aminao ihany.+
19 Haringanao anie ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô!+
Dia hiala amiko tokoa ny olona meloka ho nandatsa-dra.+