Salamo
Ho an’ny mpitarika. Hohiraina araka ny feon’ny Serfavavin’ny Maraina Vao Mangiran-dratsy. Hiran’i Davida.
22 Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?+
Nahoana no lavitra ahy ianao, ka tsy mamonjy ahy+
Sady tsy mihaino ny fitarainako?+
2 Andriamanitro ô, miantso anao foana aho amin’ny antoandro nefa tsy mamaly ianao,+
Ary miantso koa aho amin’ny alina, ka tsy mangina mihitsy ny vavako.+
5 Ianao no nitarainan’izy ireo,+ ka voavonjy izy,+
Ary ianao no nitokisany, ka tsy nitsanga-menatra izy.+
8 “Efa nankininy tamin’i Jehovah ny fiainany,+ koa aoka Izy hamonjy azy!+
Aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy!”+
9 Ianao no nisintona ahy hivoaka avy tao an-kibo,+
Sy nahatonga ahy tsy hanana ahiahy teo an-tratran-dreniko.+
10 Vao teraka aho, dia efa nankinina taminao.+
Mbola tany an-kibon-dreniko aho, dia efa ianao no Andriamanitro.+
12 Misy vantotr’ombilahy maro be mitangorona amiko,+
Ary omby matanjaka avy any Basana no manodidina ahy.+
Ary nosaratsarahina ny taolako rehetra.+
Tonga toy ny savoka ny foko,+
Ka nitsonika tao anatiko lalina tao.+
15 Tsy misy hery intsony ato amiko, fa maina toy ny silaka vilany tany aho.+
Miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako,+
Ary eo amin’ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.+
16 Fa mitangorona amiko ny alika,+
Ary manodidina ahy ireo mpanao ratsy maro be,+
Izay toy ny liona manaikitra ny tanako sy ny tongotro.+
20 Afaho tsy ho azon-tsabatra aho.+
Avoty tsy ho azon’ny alika ny aiko, izay lahitokako.+
21 Vonjeo aho mba tsy ho lanin’ny liona.+
Valio aho ka vonjeo tsy ho azon’ny tandroky ny ombidia.+
23 Ianareo izay matahotra an’i Jehovah, miderà Azy!+
Ianareo rehetra taranak’i Jakoba, mankalazà Azy!+
Ary matahora Azy, ianareo rehetra taranak’i Israely.+
24 Fa tsy ataony tsinontsinona+
Na hamavoiny ny fahorian’ny ory.+
Tsy manafina ny tavany aminy izy.+
Nohenoiny ny ory rehefa niantso vonjy taminy.+
25 Noho ny zava-bitanao, dia hidera anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho.+
Hanefa ny voadiko eo anatrehan’ireo matahotra azy aho.+
27 Hahatsiaro an’i Jehovah ny vazan-tany efatra, ka hiverina aminy.+
Ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokom-pirenena rehetra.+