Salamo
Maskila nataon’i Etana Ezrahita.+
89 Hohiraiko mandritra ny fotoana tsy voafetra ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’i Jehovah.+
Hatramin’ny taranaka fara mandimby no hanambarako fa tsy mivadika ianao.+
2 Fa hoy aho: “Ho mafy orina mandrakizay ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+
Ary ataonao tsara fototra any an-danitra ny tsy fivadihanao.”+
3 “Efa nanao fifanekena tamin’ilay voafidiko aho,+
Ary efa nianiana tamin’i Davida mpanompoko+ hoe:
4 ‘Hataoko maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny taranakao,+
Ary ny seza fiandriananao+ hataoko mafy orina hatramin’ny taranaka fara mandimby.’” Sela.
5 Hoderain’ny lanitra ny zava-mahagaga nataonao, Jehovah ô,+
Eny, hoderaina eo anivon’ny fiangonan’ireo masina ny tsy fivadihanao.
6 Fa iza any an-danitra no afaka mifampitaha amin’i Jehovah?+
Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no mitovy amin’i Jehovah?+
7 Andriamanitra tokony hohajaina izy, eo anivon’ireo masina mpinamana akaiky.+
Be voninahitra sy mendrika hatahorana izy, eo amin’izay rehetra manodidina azy.+
8 Jehovah Andriamanitry ny tafika ô,+
Iza no mahery tahaka anao, ry Jah?+
Mendri-pitokisana ianao amin’ny zava-drehetra.+
10 Notorotoroinao i Rahaba,+ ka toy ny olona novonoina.+
Ny herin-tsandrinao no nanaparitahanao ny fahavalonao.+
11 Anao ny lanitra,+ ary anao koa ny tany.+
Ny tany lonaka sy izay rehetra eo aminy,+ dia ianao no nanao azy.+
14 Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandriananao,+
Ary mankeo anatrehanao ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy ny fahamarinana.+
15 Sambatra izay olona manao horakora-pifaliana.+
Handeha amin’ny fahazavan’ny tavanao foana izy ireo, Jehovah ô!+
19 Tamin’izany, dia niteny tao amin’ny fahitana ianao,+
Ka nilaza tamin’ireo tsy nivadika taminao hoe:
“Nanampy olo-mahery aho,+
Ary nanandratra olona iray nofidiko teo amin’ny vahoaka.+
23 Nanamontsana ny fahavalony teo anatrehany aho,+
Sady tsy nitsahatra namely an’ireo mankahala mafy azy.+
24 Homba azy ny tsy fivadihako sy ny hatsaram-panahiko feno fitiavana,+
Ary ny anarako no isandratan’ny tandrony.+
28 Mandritra ny fotoana tsy voafetra, dia tsy hesoriko aminy ny hatsaram-panahiko feno fitiavana,+
Ary ho azo antoka ny fifanekena nataoko taminy.+
29 Hataoko maharitra mandrakizay ny taranany,+
Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny andron’ny lanitra.+
30 Raha mandika ny lalàko ny taranany,+
Ka tsy mankatò ny didim-pitsarako,+
31 Ary raha manao tsinontsinona ny fitsipiko izy ireo,
Ka tsy mitandrina ny didiko,
32 Dia hofaiziko amin’ny tsorakazo satria nandika lalàna,+
Ary hokapohiko satria nanao fahadisoana.+
33 Tsy hesoriko aminy anefa ny hatsaram-panahiko feno fitiavana,+
Ary tsy mba hivadika aho fa ho mendri-pitokisana foana.+
36 Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny taranany,+
Ary haharitra eo anatrehako toy ny masoandro koa ny seza fiandrianany.+
37 Ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra, toy ny volana, izy io,
Ary ho tahaka ilay vavolombelona mendri-pitokisana eny amin’ny lanitra.” Sela.
39 Nohamavoinao ny fifanekena nataonao tamin’ilay mpanomponao,
Nozimbazimbainao ny diademany ka natsipinao tamin’ny tany.+
46 Mandra-pahoviana ianao no hiafina, Jehovah ô? Ho mandrakizay ve?+
Hirehitra foana toy ny afo ve ny fahatezeranao?+
47 Tsarovy fa fohy ihany ange ny androm-piainako e!+
Dia ho very maina fotsiny ve ny namoronanao ny zanak’olombelona rehetra?+
49 Jehovah ô, aiza ireny hatsaram-panahinao taloha ireny,
Izay nianiananao tamin’i Davida noho ianao tsy mivadika?+
50 Tsarovy ny latsa nozakain’ny mpanomponao, Jehovah ô!+
Tsarovy ny nitondrako* latsa avy tamin’ny firenena rehetra,+
51 Sy ny nandatsan’ireo fahavalonao an’ilay voahosotrao, Jehovah ô,+
Eny, ny nandatsan’izy ireo azy noho izay rehetra nataony.+
52 Hisaorana mandritra ny fotoana tsy voafetra anie i Jehovah! Amena! Amena!+