Apokalypsy
11 Ary nomena bararata hoatran’ny tehina*+ aho, tamin’izy niteny hoe: “Mitsangàna ka refeso ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary izay mivavaka ao. 2 Fa ny tokotany eo ivelan’ny toerana masin’ny tempoly kosa avelao eo fa aza refesina, satria nomena ny hafa firenena izany. Dia hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandritra ny 42 volana+ ny tanàna masina.+ 3 Ary hasaiko maminany 1 260 andro ny vavolombeloko roa, sady mitafy gony.” 4 Izy ireo no hazo oliva roa+ sy fitoeran-jiro roa,+ ary mijoro eo anatrehan’ny Tompon’ny tany+ izy ireo.
5 Raha misy te hanisy ratsy azy ireo, dia misy afo mivoaka avy amin’ny vavany ka mandevona ny fahavalony. Raha misy te hanisy ratsy azy ireo, dia hoatr’izany no hamonoana azy. 6 Manana fahefana hanidy ny lanitra+ izy ireo, mba tsy hisy orana hilatsaka+ mandritra ny andro aminaniany. Manana fahefana hanova ny rano ho ra+ koa izy ireo, ary hamely ny tany amin’izao karazana loza rehetra izao isaky ny te hanao an’izany.
7 Rehefa vitan’izy ireo ny fitoriany, dia hiady aminy ilay bibidia niakatra avy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka, ka handresy sy hamono azy ho faty.+ 8 Ary hiampatrampatra eny an-dalamben’ilay tanàna lehibe ny fatin’izy ireo. Antsoina amin’ny heviny an’ohatra hoe Sodoma sy Ejipta io tanàna io, sady tao koa ny Tompon’izy ireo no novonoina teo amin’ny tsato-kazo. 9 Ary hijery ny fatin’izy ireo mandritra ny telo andro sy tapany+ ny olona avy amin’ny vahoaka sy foko sy olona samy hafa fiteny* ary firenena. Tsy havelany hatao ao am-pasana koa ny fatin’izy ireo. 10 Dia hifalifaly noho izay nanjo azy ireo ny mponina eto an-tany, ka hanao fety sy hifanolotra fanomezana, satria nampijaly ny mponina eto an-tany ireo mpaminany roa ireo.
11 Rehefa tapitra ny telo andro sy tapany, dia nisy aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’izy ireo.+ Dia nijoro tamin’ny tongony izy ireo, ka natahotra be izay nahita azy. 12 Ary naheno feo mafy avy any an-danitra izy ireo, niteny taminy hoe: “Miakara atỳ.” Dia niakatra tany an-danitra tao anaty rahona izy ireo, ka hitan’ny fahavalony.* 13 Ary nisy horohoron-tany lehibe tamin’izay ora izay, ka rava ny ampahafolon’ny tanàna. Ary 7 000 ny olona matin’ilay horohoron-tany. Dia natahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’ilay Andriamanitry ny lanitra.
14 Lasa ny loza faharoa.+ Izay fa tonga haingana ny loza fahatelo!
15 Nitsoka ny trompetrany+ ny anjely fahafito, dia nisy feo mafy tany an-danitra, nanao hoe: “Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa Fanjakan’ny Tompontsika+ sy ilay Kristy voatendriny.+ Ary hanjaka mandrakizay mandrakizay+ Izy.”
16 Ary niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra ny anti-panahy 24,+ izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany teo anatrehan’Andriamanitra, 17 sady niteny hoe: “Misaotra anao izahay, Jehovah* Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra, Ilay ankehitriny+ sy taloha, satria nandray fahefana lehibe ianao ka efa nanomboka nanjaka.+ 18 Tezitra anefa ireo firenena. Nampiseho ny hatezeranao koa ianao, ary tonga ny fotoana voatondro hitsarana ny maty sy hanomezana valisoa+ ny mpaminany mpanomponao+ sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na ny kely na ny lehibe. Tonga koa ny fotoana handringanana an’izay manimba ny tany.”+
19 Ary nosokafana ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra tany an-danitra, ka tazana tao ilay Vata misy ny fifanekena.+ Dia nisy tselatra sy feo sy kotroka sy horohoron-tany ary havandra vaventy.