Asan’ny Apostoly
2 Teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra, tamin’ny andro Pentekosta.+ 2 Ary nisy feo mafy tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo, ka nanenika ilay trano nipetrahan’izy ireo.+ 3 Ary nisy lela maro toy ny afo+ niseho tamin’izy ireo, ary nizarazara ireny ka nisy iray avy nankeo ambonin’ny tsirairay. 4 Ary samy feno fanahy masina+ izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,+ araka izay nampitenenan’ny fanahy azy.
5 Ary nisy Jiosy+ avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, nipetraka tao Jerosalema. Olona natahotra an’Andriamanitra+ izy ireo. 6 Rehefa nandre an’ilay feo ny vahoaka maro be, dia nirohotra nanatona ary very hevitra, satria samy nandre an’ireo mpianatra niteny tamin’ny fiteniny avy izy ireo. 7 Dia talanjona tokoa izy ireo ary gaga, ka nanao hoe: “Jereo ange e! Tsy Galilianina+ daholo ve ireo miteny ireo? 8 Koa ahoana no andrenesantsika azy miteny amin’ny fitenin-drazantsika avy? 9 Isika anefa Partianina sy Medianina+ ary Elamita,+ sy mponin’i Mezopotamia, Jodia,+ Kapadokia,+ Ponto+ sy ny faritr’i Azia,+ 10 Frijia,+ Pamfylia,+ Ejipta sy ny faritr’i Libya, izay akaikin’i Kyrena, ary mpivahiny avy any Roma, dia Jiosy sy olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy,+ 11 ary Kretanina+ sy Arabo.+ Rentsika anefa ry zareo miteny amin’ny fitenintsika avy, momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” 12 Eny, gaga izy rehetra sady very hevitra, ka nifampiresaka hoe: “Inona no dikan’izao?” 13 Fa nisy kosa naneso azy ireo hoe: “Mamon-divay mamy ireo.”+
14 Nitsangana anefa i Petera sy ny iraika ambin’ny folo lahy.+ Dia nanandratra ny feony i Petera, nanao hoe: “Ry Jodianina sy ianareo rehetra monina eto Jerosalema,+ izao no aoka ho fantatrareo, ary henoy ny teniko: 15 Tsy mamo,+ araka ny fiheveranareo azy, ireo olona ireo satria vao ora fahatelo* amin’ny andro izao. 16 Fa izao kosa no voalaza tamin’ny alalan’i Joela mpaminany: 17 ‘“Ary amin’ny andro farany”, hoy Andriamanitra, “dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko+ ny karaza-nofo rehetra, ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana ary ny lahiantitra eo aminareo hanonofy.+ 18 Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko aza, dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany.+ 19 Ary hanisy fambara eny amin’ny lanitra ambony aho, sy famantarana eny amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka.+ 20 Ny masoandro+ hovana ho haizina ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady miavaka.+ 21 Ary izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”’+
22 “Ry Israelita, henoy izao teny izao: I Jesosy avy any Nazareta+ no lehilahy nasehon’Andriamanitra an-karihary taminareo tamin’ny fahagagana+ sy fambara ary famantarana. Tamin’ny alalany no nanaovan’Andriamanitra izany teo aminareo,+ ary fantatrareo tsara izany. 23 Efa fikasana voafaritr’Andriamanitra sady efa fantany mialoha ny hanolorana izany lehilahy izany.+ Nofantsihanareo teo amin’ny tsato-kazo anefa izy, ary tanan’olona tsy tan-dalàna no nentinareo nanao izany. Dia novonoinareo izy,+ 24 kanefa Andriamanitra nanangana azy tamin’ny maty+ rehefa namaha ny fatoran’ny fahafatesana,+ satria tsy voatanan’izany maharitra izy.+ 25 Hoy mantsy i Davida momba azy: ‘Teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo mihitsy aho satria izy eo ankavanako.+ 26 Izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako, ary na ny nofoko aza hitoetra amin’ny fanantenana,+ 27 satria tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana* aho,* sady tsy havelanao ho lo ilay mpanomponao tsy mivadika.+ 28 Nampahafantarinao ny lalan’ny fiainana aho, ary hovokisanao fifaliana eo anatrehanao.’+
29 “Ry rahalahy, mamelà ahy hiteny amim-pahatsorana aminareo mahakasika an’i Davida loham-pianakaviantsika izay efa maty+ sady efa nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany. 30 Mpaminany izy ary nahalala fa nianiana taminy Andriamanitra hoe ny taranany no hapetrak’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianany.+ Araka izany, dia 31 efa hitan’i Davida mialoha ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ary efa niresaka momba izany izy, dia ny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana* i Jesosy sady tsy lo ny nofony.+ 32 Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izany Jesosy izany, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.+ 33 Koa satria nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra izy,+ ary nandray avy tamin’ny Ray ny fanahy* masina nampanantenaina,+ dia izy no nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao. 34 Tsy niakatra tany an-danitra i Davida,+ raha ny marina, fa izy aza nilaza hoe: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako+ 35 mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.”’+ 36 Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra marimarina fa nataon’Andriamanitra ho Tompo+ sy Kristy iny Jesosy nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana iny.”+
37 Koa voatsindrona ny fon’ireo+ rehefa nandre izany, ka hoy izy ireo tamin’i Petera sy ny apostoly hafa: “Inona izao no hataonay, ry rahalahy?”+ 38 Dia hoy i Petera: “Mibebaha,+ ary aoka samy hatao batisa+ amin’ny anaran’i+ Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka.+ Ary hahazo ilay fanomezana maimaim-poana+ ianareo, dia ny fanahy masina. 39 Fa ho anareo ilay fampanantenana,+ eny, ho anareo sy ho an’ny zanakareo ary ho an’izay rehetra any lavitra,+ izany hoe izay rehetra antsoin’i Jehovah Andriamanitsika hanatona azy.”+ 40 Ary teny maro hafa no nentiny nanome fanazavana feno,* ary nandrisika hatrany an’ireo izy hoe: “Aoka ianareo hovonjena ho afaka amin’ity taranaka tsy marina ity.”+ 41 Koa natao batisa+ izay olona nandray tsara ny tenin’i Petera, ka niampy olona* tokony ho telo arivo ny isan’izy ireo tamin’iny andro iny.+ 42 Nifantoka tamin’ny fampianaran’ny apostoly izy ireo, ary nifampizara izay nananany,+ sy niara-nisakafo+ ary naharitra nivavaka.+
43 Dia raiki-tahotra daholo ny olona,* ary nisy zava-mahagaga sy famantarana maro natao tamin’ny alalan’ny apostoly.+ 44 Ary niaraka teo daholo izay rehetra tonga mpino, ka niombonany avokoa ny zava-drehetra.+ 45 Nivarotra ny taniny sy ny fananany+ izy ireo, ka ny vola azo dia nozarainy tamin’ny rehetra, araka izay nilainy avy.+ 46 Tao amin’ny tempoly foana izy ireo isan’andro sady niray saina,+ ary nisakafo tany an-trano izy ireo ka nihinan-kanina tamim-pifaliana be+ sy tamim-pahatsoram-po, 47 ary nidera an’Andriamanitra sady nahazo sitraka tamin’ny olona rehetra.+ Ary nandritra izany fotoana izany, dia nisy olona voavonjy nentin’i Jehovah+ isan’andro hanatevin-daharana azy ireo.+