Petera Voalohany
3 Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo.+ Amin’izay raha misy amin’izy ireo tsy mankatò ny teny masina, dia ho voataonan’ny fitondran-tenanareo izy, fa tsy ny teny lazainareo.+ 2 Ho hitany mantsy ny fitondran-tena madio anananareo,+ sy ny fanajana lalina asehonareo. 3 Tsy tokony ho zavatra ivelany fotsiny ny haingonareo—toy ny randram-bolo sy firavaka volamena+ na akanjo tsara— 4 fa tokony ho ilay toetra miafina ao am-po kosa, izay toy ny haingo tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika,+ izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra. 5 Fa toy izany ny haingo fanaon’ireo vehivavy masina taloha izay nanantena an’Andriamanitra. Nanaiky ny vadiny izy ireny, 6 hoatran’i Saraha izay nankatò an’i Abrahama, ka niantso azy hoe tompo.+ Zanak’i Saraha ianareo, raha manao ny tsara foana sady tsy resin’ny tahotra.+
7 Toy izany koa ianareo lehilahy, miaraha mitoetra foana amin’ny vadinareo, ka miezaha hahazo tsara ny fihetseham-pony.* Omeo voninahitra ny vehivavy,+ toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo. Izy ireo koa mantsy mpiara-mandova aminareo+ an’ilay fanomezana miavaka, dia ny fiainana.
8 Farany, miraisa saina*+ ianareo rehetra, miaraha ory, mifankatiava hoatran’ny mpirahalahy, manàna fangorahana,+ ary manetre tena.+ 9 Aza mamaly ratsy ny ratsy+ na manambanimbany rehefa misy manambanimbany.+ Aleo kosa mirary soa,+ satria izany no niantsoana anareo, mba handovanareo fitahiana.
10 “Izay tia ny fiainana sy te ho sambatra, dia tsy maintsy mitandrina ny lelany mba tsy hilaza zava-dratsy,+ ary ny molony mba tsy hiteny fitaka. 11 Aoka izy hiala amin’ny ratsy+ ka hanao ny tsara,+ ary hitady fihavanana ka hitandro an’izany.+ 12 Fa ny mason’i Jehovah* mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany.+ Manohitra an’izay manao ratsy kosa i Jehovah.”*+
13 Iza tokoa no hanisy ratsy anareo raha mafana fo manao ny tsara ianareo?+ 14 Fa na mijaly aza ianareo satria manao ny marina, dia sambatra ianareo.+ Aza atahorana anefa izay atahoran’izy ireo* ary aza mitebiteby.+ 15 Manamasìna kosa an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo, ka aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenanareo. Tokony halemy fanahy+ sy ho feno fanajana+ anefa ianareo rehefa manao an’izany.
16 Miezaha hanana feon’ny fieritreretana madio foana,+ mba ho afa-baraka ireo manohitra anareo,+ na inona na inona teneniny, noho ianareo tsara fitondran-tena satria mpanara-dia an’i Kristy.+ 17 Fa tsara kokoa ny hoe mijaly satria manao ny tsara,+ raha sitrapon’Andriamanitra ny hamela an’izany hitranga, noho ny hoe mijaly satria manao ratsy.+ 18 Fa i Kristy aza mantsy maty indray mandeha fotsiny noho ny ota,+ izany hoe olo-marina ho solon’ny tsy marina,+ mba hitondrany anareo ho amin’Andriamanitra.+ Nofo izy rehefa novonoina,+ fa fanahy kosa rehefa novelomina.+ 19 Tamin’izay izy no nandeha nitory tamin’ireo fanahy ao am-ponja,+ 20 izay tsy nankatò tany aloha tany, tamin’Andriamanitra naharitra niandry* tamin’ny andron’i Noa,+ raha mbola namboarina ny sambofiara.+ Olona vitsy ihany, izany hoe olona valo no nentin’izy io teny ambony rano ka avotra soa aman-tsara.+
21 Misy mifanitsy amin’izany koa amin’izao, dia ny batisa—tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa fangatahana amin’Andriamanitra feon’ny fieritreretana madio.+—Mamonjy anareo ny batisa, noho ianareo mino ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. 22 Eo ankavanan’Andriamanitra+ izy, satria nankany an-danitra, ary nasaina nanaiky azy ny anjely sy ireo manana fahefana ary ireo manana hery.+