Salamo
Maskila nataon’i Asafa.+
4 Tsy afeninay amin’ny taranak’izy ireo izany,+
Fa tantarainay amin’ny taranaka ho avy.+
Eny, tantarainay ny fiderana an’i Jehovah sy ny heriny,+
Ary ny zava-mahagaga nataony.+
5 Nomeny fampahatsiahivana i Jakoba+
Ary nasiany lalàna teo amin’i Israely.+
Nandidiany ny razanay izany,+
Mba hampahafantarina ny taranak’izy ireo.+
6 Amin’izay dia hahalala izany ny taranaka ho avy, dia ny zaza mbola hateraka,+
Ka hitsangana hitantara izany amin’ny zanany izy ireo,+
7 Ary hatoky an’Andriamanitra+
Sy tsy hanadino ny zavatra nataon’Andriamanitra,+ fa hitandrina ny didiny kosa.+
8 Tsy tokony hotahafiny ny razany,+
Izay taranaka mafy loha sy mpikomy,+
Ary taranaka tsy nanomana ny fony,+
Sady tsy mendri-pitokisana teo anatrehan’Andriamanitra.+
9 Na dia mpandefa zana-tsipìka nirongo fiadiana aza ny taranak’i Efraima,+
Dia nihemotra izy ireo tamin’ny andro niadiana.+
10 Tsy nanaja ny fifanekena nataon’Andriamanitra izy ireo,+
Sady tsy nanaiky handeha araka ny lalàny.+
14 Nitarika azy tamin’ny alalan’ny rahona izy rehefa antoandro,+
Ary tamin’ny fahazavan’ny afo nandritra ny alina manontolo.+
15 Nampitresaka harambato tany an-tany efitra izy,+
Mba hampisotroana rano be azy ireo, dia rano be toy ny rano lalina.+
17 Vao mainka nanota taminy anefa izy ireo,+
Ka nikomy tamin’ny Avo Indrindra, tany amin’ny faritra karakaina.+
18 Ary nitsapa toetra an’Andriamanitra izy ireo tao am-pony,+
Ka nangataka zavatra hohanina araka izay tiany.+
19 Koa nanome tsiny an’Andriamanitra izy ireo,+
Ka niteny hoe: “Mahavita manome sakafo anay atỳ an-tany efitra ve Andriamanitra?”+
20 Nikapoka ny harambato izy,+
Mba hikoriana ny rano, ary ho tondraka ny rano mandriaka.+
“Mahavita manome hanina koa ve izy,+
Na manome sakafo ho an’ny olony?”+
21 Nandre izany i Jehovah ka nisafoaka.+
Dia nandefa afo hanafaizana an’i Jakoba izy,+
Ary nirehitra tamin’i Israely ny fahatezerany.+
26 Nataony nifofofofo teny amin’ny lanitra ny rivotra avy any atsinanana,+
Ary nampisy rivotra mitsoka avy any atsimo izy noho ny heriny.+
27 Nandrotsahany sakafo be dia be toy ny vovoka izy ireo,+
Dia voro-manidina maro be toy ny fasika any an-dranomasina.+
30 Nefa mbola tsy afa-po ihany izy ireo.
Koa raha mbola tao am-bavany ny sakafony,+
31 Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’Andriamanitra.+
Koa novonoiny ho faty ny olona tomady teo amin’izy ireo,+
Ary naripany ny tovolahy teo amin’ny Israely.
32 Na dia teo aza izany rehetra izany, dia mbola nanota ihany izy ireo,+
Ka tsy naneho finoana ny asany mahatalanjona.+
33 Koa nataony nanjavona toy ny fofonaina ny andron’izy ireo,+
Ary nofaranany tao anaty horohoro tampoka ny taonan’izy ireo.
34 Isaky ny nandringana anefa izy, dia nikaroka azy izy ireo,+
Ka niverina sy nitady an’Andriamanitra.+
35 Tsaroany fa Andriamanitra no Vatolampiny,+
Ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpamaly ny ratsy natao taminy.+
37 Tsy mba nifikitra tanteraka taminy ny fon’izy ireo.+
Nivadika tamin’ny fifanekena nataony taminy koa izy ireo.+
38 Namindra fo anefa izy,+ ary namela fahadisoana,+ ka tsy nandringana.+
Imbetsaka koa izy no nanindry ny fahatezerany,+
Ka tsy namoaka ny fahavinirany rehetra.
40 Impiry impiry moa izy ireo no nikomy taminy tany an-tany efitra,+
Sy nanao izay nampalahelo azy tany amin’ny tany karakaina?+
41 Imbetsaka izy ireo no nitsapa toetra an’Andriamanitra,+
Ka nanao izay nampahory an’Ilay Masin’ny Israely.+
42 Nohadinoin’izy ireo ny zavatra nataon’ny tanan’Andriamanitra,+
Dia ny andro nanavotany azy tamin’ny fahavalo.+
43 Eny, nohadinoin’izy ireo ny famantarana nataony tany Ejipta,+
Sy ny fahagagana nataony teo amin’ny sahan’i Zoana,+
44 Ary ny nanovany ho ra an’ireo lakandranon’i Neily,+
Mba tsy hisotroan’izy ireo avy tamin’ny reniranony.+
48 Natolony ho fatin’ny havandra koa ny bibiny mpitondra entana,+
Ary ny biby fiompiny, ho fatin’ny areti-mandringana.
49 Nampihariny tamin’izy ireo ny fahatezerany mafy,+
Dia fisafoahana sy fanamelohana sy fampahoriana,+
Ary anjely maro izay nirahina hitondra loza.+
50 Nanomana lalana ho an’ny fahatezerany izy,+
Ary tsy niaro azy ireo* tsy ho faty.
Natolony ho an’ny areti-mandringana koa ny ain’izy ireo.+
51 Farany, dia novonoiny ho faty daholo ny lahimatoa tany Ejipta,+
Eny, naripany tao amin’ireo tranolain’i Hama ny voalohan-terak’izy ireo.+
52 Ary nentiny nandeha toy ny andian’ondry ny vahoakany,+
Ka notarihiny toy ny andiam-biby, tany an-tany efitra.+
53 Nitarika azy ireo foana izy, ka tsy nanana ahiahy izy ireo sady tsy natahotra.+
Voasaron’ny ranomasina ny fahavalon’izy ireo.+
54 Ary nentiny tany amin’ny faritaniny masina izy ireo,+
Dia ilay faritra be tendrombohitra azon’ny tanany ankavanana.+
55 Noho ny amin’izy ireo no nandroahany tsikelikely an’ireo firenena.+
Nizara lova ho azy ireo izy, ka nampiasa tady fandrefesana.+
Koa nampitoetra ny fokon’ny Israely tao an-tranony avy izy.+
56 Nitsapa toetra an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra anefa izy ireo sady nikomy taminy,+
Ary tsy narahin’izy ireo ny fampahatsiahivany.+
57 Nania foana koa izy ireo sady nivadika toy ny razany.+
Tsy azo nianteherana izy ireo, toy ny tsipìka migoragora.+
58 Nampahatezitra azy foana izy ireo noho ny toerana avo naoriny,+
Ary nanao izay hahasaro-piaro azy noho ny sary sokitra nivavahany.+
61 Navelany hoentina ho babo ilay mariky ny heriny,+
Ary navelany ho lasan’ny fahavalo ilay mariky ny hatsaran-tarehiny.+
66 Ary nasiany avy tao aoriana ny fahavalony,+
Ka nataony afa-baraka nandritra ny fotoana tsy voafetra.+